• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cnaps
Image
Vaovao

CNaPS : Mangataka ny fanokafana azy ny Vondron’ny mpiasa sy ny mpampiasa

01/08/2023 16:03 © Moov.Mg

Herinandro maromaro izay no tsy niodina araka ny tokony ho izy intsony ny CNaPS. Manomboka mitaraina ireo mpiasa sy ny mpampiasa mila mandrotsaka latsakemboka, noho izany.

Fitakiana ny fisokafan’ny CNaPS

Iray volana teo ho eo izay raha jerena, no nisian’ny olana teo anivon’ny CNaPS ka niteraka ny fitokonan’ireo mpiasa ao. Nandritra izany dia niroso tamin’ny « service minimum » ireo mpiasa. Niteraka olana ho an’ireo mpiasan’ny orinasa tsy miankina sy ny mpampiasa azy ireo anefa izany. Sahirana izay tsy izy ireo mpisitraka ny fisotroan-dronono, ny volan-jaza, ny vidin-takaitra ary ny fiahiana sosialy isan-karazany eo anivon’ny CNaPS.
Manoloana ny fahasahiranana izay mahazo azy ireo, dia mitaky ny fisokafan’ny CNaPS tsy misy fepetra ireo mpiasa sy mpampiasa manana raharaha eny. Araka ny nambaran’ny Vondron’ny mpampiasa sy ny mpiasa, anio 01 Aogositra, dia « Tsy mitombina, ary tsy nanaja ny dingana tokony ho lalovana io fitokonana ataon’ny mpiasan’ny CNaPS io ». Ity vondrona ity dia ahitana ny Groupement des Entreprises de Madagascar (GEM), ny Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy (FivMpaMa) ary ny « Conférence des travailleurs de Madagascar » (CTM).

Ambadika politika

Noresahana nandritra io fihaonana androany io ihany koa fa raha ny tokony ho izy dia ireo mpiasa sy mpampiasa no mitaky ny mangarahara eo anivon’ny CNaPS. Ireto farany manko no tompon’ireo vola latsakemboka arotsaka ao. Ho an’ireto farany ary dia mety misy ambadika politika izo fitokonana izao.
Manoloana izany dia mitaky ny hampiatoana ny hetsika izay miteraka fahasahiranana ho an’ny mpisitraka ireto solon-tenan’ny mpiasa ireto. Mangataka ny hametrahana rafitra vaovao mahakasika ny fitantanana ny CNaPS ihany koa izy ireo. Tanjona amin’izany no hisian’ny mangarahara eo anivon’ny fitantanana. Fomba iray hampanarahana ny fitsipika eo anivon’ny fikambanam-be iombonan’ny rafitra fiahiana sosialy na CIPRES ihany koa izany.

Lire la suite

Articles Similaires