• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Les_Ateliers_Du_Voyage
Image
Vaovao

Antsirabe – Fitaterana : Hiakatra ny saran-dàlana

01/08/2023 13:26 © Moov.Mg

Hisy fiakarany 10 000 ariary ny saran-dàlana ho an’ireo zotra mampitohy an’Antsirabe sy Toamasina ary Mahanjanga, manomboka ny zoma 4 Aogositra ho avy izao.

Fiakarana 10 000 ariary

Hiakatra ny saran-dàlan’ny fiara fitateram-bahoaka ho an’ireo zotra mampitohy an’Antsirabe sy Toamasina ary Mahajanga, amin’ny faran’ity herinandro ity. Mila manomana vola 10 000 ariary ambonin’ny teo aloha noho izany ireo mpandeha manomboka amin’io daty voatondro io, raha manam-paniriana ny hisitaka kely an’Antsirabe.
Noho izany, ho lasa 50 000 ariary ny saran-dàlana mampitohy an’Antsirabe sy Toamasina manomboka ny zoma ho avy izao, raha toa ka 40 000 ariary izany ankehitriny. Hisy fiakarany 10 000 ariary ihany koa ny saran-dàlana mampitohy an’Antsirabe sy Mahajanga, ka ho lasa 70 000 ariary izany raha toa ka 60 000 ariary izany ankehitriny.

Fanitsiana ny saran-dàlana

Tsy fampiakarana saran-dàlana anefa no hilazana izao hoy ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny « gare routière » fa kosa fanitsiana ny saran-dàlana. Taorian’ny nisokafan’ny fifamezivezena tamin’ny fotoanan’ny COVID-19 tokoa no efa ireo no saran-dàlana nanan-kery.
Rehefa fotoanan’ny mahabe ny mpivezivezy toa izao tokoa dia misy fiakarany foana matetika ny saran-dàlana. Nanomboka ny sabotsy lasa teo ary dia misy ny fiaingana indroa isan’andro isaky ny roa andro. Ny an’ny zotra mihazo an’i Mahajanga kosa dia fiaingana iray isan’andro ihany no misy, fa feno avokoa anefa ireo toerana. Fotoanan’ny fialan-tsasatra tokoa moa izao, koa maro ireo manapa-kevitra ny hijery ranomasina.

Lire la suite

Articles Similaires