• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov_Vaovao
Image
Vaovao

Toliara : Misitraka ny Karinem-pokontany misy QR Code

01/08/2023 09:40 © Midi Madagasikara

Hisy fanavaozana goavana eo anivon’ny fokontany rehetra eto amin’ny kaominina ambonivohitry Toliara voalohany manomboka izao eo amin’ny famehezana sy fikirakirana ny asam-panjakana ka hanamora ny fifandraisana eo aminy sampan-draharaha samy hafa eo amin’ny fokontany sy ny vahoaka feheziny.

Natolotrin’ny Governora ny Faritra Atsimo Andrefana Edally Ranoelson sy ny Préfet ny Toliara Solondraza Arson Lydore ny zoma lasa teo ireo karinem-pokontany misy QR code na toromarika famantarana manokana ho an’i tokantrano tsirairay miisa 30 019 eto Toliara1, ka fokontany 41 ato izay misy manerana ny kaominina ambonivohitry Toliara voalohany no misitraka izany. « Ny tanjona dia ny hanamaivanana sy hanalefahana ny asam-panjakana rehetra eo anivon’ny fokontany ka ahatonga ireo mponina ao amin’ny fokontany ho mora fantarina sy hisitraka tsy ankanavaka izay tombotsoa rehetra ao anatin’ny fokontany » hoy ny Governora ny Toliara nandritra ny lanonana tsotsotra ho fanolorana ireo karinem-pokontany manarapenitra ireo. Nanamarika koa ny préfet ny Toliara fa fanamby efa napetrakin’ny fitondra-panjakana ny fanavaozana sy fampandrosoana an’i Madagasikara hifanaraka aminy vanim-potoana ankehitriny sy ho ny avy izao notanterahina izao hoy izy. Tsapa mantsy fa sahirana indraidray ny tompon’andraikitra ao amin’ny birao ny fokontany rehefa misy anton-draharaha eo anivon’ny fokontany satria tsy afaka namehezana an’izany ireo karinem-pokontany tsotra teo aloha hoy ihany izy. Fantatra tokoa mantsy fa maro ireo mponina sy tokatrano mitaraina eo anivon’ny fokontany fa very zo tsy nahy amin’ny lafiny maro noho ny tsy fahafantarana azy ireo eo anivo ny fiaraha-monina mizy azy, hoy ny solontenan’ny prezida ny fokontany tonga nanatrika ny lanonana.

Ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaraham-pahefana ary ny avy ao amin’nyMinistera misahana ny fampiroboroboana sy fanovana ny haitao ara-kajy mirindra no niara nisalahy sy nahatontosa izao vokatra izao. Ny tale iraisamparitra ny MNDPTeto Toliara moa no nanolotra ian’zany ary nisolo tena ny ministra.

Lire la suite

Articles Similaires