• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ankadimbahoaka : Taxi-be nivadika vao maraina

01/08/2023 09:14 © Midi Madagasikara

Amin’ny ora tena nivoahan’ny olona ny trano ka betsaka mpampiasa ny làlana no nivadika ny taxi-be iray, zotra 163.

Samihafa ny fanazavan’ny olona. Tao no nilaza fa nisongona kamiao lehibe ary tsy nahafehy ny familiana intsony ary nifatratra tamin’ny sisin-dàlana rehefa avy nisaoty « trottoir ». Teo koa dia mbola nifaoka fefy vy izay nisy fiara tao anatiny izay vao tena nijanona tanteraka ary ny kodiarana roa nihantona. Raha ny fantatra dia biraon’ny koperativa iray izay miasa eo an-toerana io saika nidirany io raha tsy nisy fiara nijanona teo ivelany. Ny olona hafa indray dia nilaza fa olana teo amin’ny isatra no nitarika ilay lozam-pifamoivoizana. Betsaka ny tsy nino loatra izany satria efa fomban’ny mpamily hatrany ny miala bala avy amin’Ny fanehoana olana ara-teknika rehefa mitranga ny lozam-pifamoivoizana. Teo ihany dia nitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana nihazo an’Ankadimbahoaka raha avy any Anosy. Tsy maintsy natao izay nampiverina ny toeran’ilay fiara amin’ny laoniny izay vao afaka niverina tsikelikely ny fifamoivoizana. Tsy nisy aina nafoy nandritr’ity lozam-pifamoivoizana ity.

Lire la suite

Articles Similaires