• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny herinandron’ny 24 jolay

31/07/2023 04:32 © Moov.Mg

Niompana bebe kokoa tamin’ny fanomanana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena 2023 sy ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy ny vaovao nisongadina tamin’ny herinandron’ny 24 jolay hatramin’ny 30 jolay.

Volana vitsy tokoa sisa no isaina dia hanomboka ny lalaon’ny Nosy sy ny fifidinana izay ho filoham-pirenena. Mihetsiketsika avokoa ireo mpanao politika isan-tokony. Teo ihany koa ireo trangam-piaraha-monina maro samihafa. Araho ary ireo fintim-baovao nisongadina.

Fifanaovan-tsonia teo amin’ny Fanjakana sy ny Orinasa tsy miankina

Nanamarika ny fiandohan’ny herinandro ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ireo Orinasa mpanohana ny Lalaon’ny Nosy 2023. Tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina no nanatanterahana izany. Fanampiana ara-piaraha-miasa sy ara-pitaovana moa no ataon’ireo orinasa tsy miankina. Ny Telma Madagascar ohatra no mikarakara ny fampifandraisana ampitain-davitra sy ny aterineto. Raha atotaly dia maherin'ny 2 miliara ariary ny fanampiana atolotr'ireo mpanohana ireo.
Tsara ny manamarika fa efa voaray an-tanana avokoa ny momba ny “hebergement”-n’ireo mpilalao rehetra. Nanambara ihany koa ny Minisitry ny fanatanjahan-tena fa efa nanamafy ny fandraisan’izy ireo anjara avokoa ireo nosy manodidina.


Copyright Image : © MOOV

Fametrahana ny Arsevekan'ny Arsidiosezin'Antananarivo

Tontosa ny Alahady 10 jolay ny ny sorona masina fametrahana ny Arsevekan'ny Arsidiosezin'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison, niaraka tamin'ireo mpino kristianina vory lanona teny Soamandrakizay ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina androany 30 jolay 2023. Nofaranana tamin’izany ihany koa ny fankalazana ny Journée Nationales des Enfants, izay namory ankizy miisa hatramin'ny 15000 avy lafivalon’ny Nosy.


Copyright Image : © PRM

Fahatongavan’ny SADC teto Madagasikara

Tonga teto madagasikara ireo mpanara-maso ny fifidianana avy eo anivon’ny sadc. Nisy ny fihaonan’ireto farany tamin’ireo manana anjara andraikitra amin’ny fifidiana, toa ny HCC, ny CENI, ny fiaraha-monim-pirenena ary ireo ankolafy politika isan-karazany.
Aorian’izao fanaraha-maso izao dia hisy ny tatitra izay ho tanterahan’ireo avy eo amin’ny SADC. Tanjon’ireto farany moa ny hametrahana fifidianana mangaraharaha sy eken’ny besinimaro. Tanjona ihany koa ny hisorohana ny mety hisian’ny olana mandritra izany fifidianana filoham-pirenena 2023 izany.


Copyright Image : © CENI Madagascar

Hery Rajaonarimampianina : Namangy ny faritra Amoron’i Mania

Manohy hatrany ny fitsidiham-paritra izay ataony ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, izay marihina fa mety ho anisan’ireo hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena 2023 ihany koa.
Nandritra ny diany tany amin’iny faritra Amoron’i Mania iny, dia nihaona tamin’ireo vahoakan’Ambositra sy ireo mpanara-dia azy izy, ary koa ireo mpanao gazety. Nisy ihany koa ny fifanakalozana sy ny fampahafantarana ny programan’asa ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.


Copyright Image : © HR 2023

Andry Rajoelina : Nahazo sitraka tamin’ny lafiny Angovo

Na dia eo aza ireo olana maro sedrain’ny firenena amin’ny resaka famatsiana herinaratra sy ny rano dia mbola nahazo sitraka avy amin’ny Banky iraisam-pirenena ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina, noho ny ezaka izay nataony mahakasika ny Angovo.
Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana ny avy eo amin’ny banky iraisam-pirenena, noho ny fahaiza-mitantana nasehon’ity farany. Anisan’ireo teboka nahazoana ny fitokisan’izy ireo ny ezaka atao amin’ny firosoana amin’ny fampiasana angovo azo avaozina sy ny fitadiavam-bahaolana maharitra ho an’ny Orinasa JIRAMA.


Copyright Image : © PRM

Elia Béatrice Assoumacou – Antenimierandoholona : Tsy tonga tamin’ny fotoana nifanomezana ny ministra

Taorian’ny savorovoro nisy nandritra ny fanadinam-panjakana bakalorea dia nampiantso ny ministry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Elia Béatrice Assoumacou, ny avy eo amin’ny Antenimieran-doholona. Tanjon’ireto farany tamin’izany ny hanomezan’ny ministra fanazavana mahakasika ny « fuite de sujet ».
Tsy tonga tamin’ny fotoana nifanomezana anefa ny ministra raha toa ka ny 27 jolay tamin’ny 10 ora izy no tokony nihaona tamin’ireo loholona. « Tonga teo ireo staff-ny ministera ny maraina. Tsy haiko raha naharay antso izy ireo na ahoana, fa lasa izy ireo avy eo. » hoy ny loholona Luc Ramparison. Niteraka fanafitohinana ho an’ireo loholona araka izany ny tsy fahatongavan’ny ministra. Tetsy andaniny dia nilaza kosa ny avy eo amin’ny ministera fa tsy tokony ho anjaran’ny avy eo amin’ny antenimieran-doholona no mampiantso ny tompon’andraikitra eo anivon’ny fitondrana toa izao.


Copyright Image : © Béatrice Assoumacou

Laura Rasoanaivo, nibata medaly volamena

Ankoatra ny fanomanana ny fiatrehana ny lalaon’ny Nosy 2023 izay ho tanterahana eto Madagasikara, dia nisy ihany koa ny fandraisana anjara an’ny Madagasikara tamin’ny « championnat d’Afrique cadets et juniors ». Marihina moa fa Madagasikara no nandray ny lalao, izay natao tao amin’ny « Palais des Sports » Mahamasina.
Anio alahady faha 30 jolay no nifarana ny lalao, ary azo lazaina ho tsara ny vokatra. Teo amin’ny sokajy « Juniors » dia nandrobaka medaly volamena iray i Madagasikara tamin’ny alàlan’ny fandraisana anjaran’i Rasoanaivo Laura. Teo ihany ny medaly alimo roa izay norombahan’i Razafindrakalo Ralevazaha Natacha sy i Rasoanaivo Miora. Raha teo amin’ny sokajy « Juniors » indray, dia medaly volafotsy roa sy alimo telo no azon’i Madagasikara. Teo amin’ny laharana fahatelo kosa, ka nahazoana ny medaly alimo, no nisy ny malagasy ho an’ny sokajy « par équipe ».


Copyright Image : © Laura Rasoanaivo

Fanokafana ny kianjan'ny Hiragasy

Efa nandrasan'ireo mpisehatra amin'ny hiragasy hatry ny ela ity kianja ity. Ny alahady 30 jolay no notanterahina ny lanonana fanokanana, izay notarihin'ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny serasera. Nisy avy hatrany moa ny fampisehoana izay efa nomanin'ireo tarika kalaza avy eto Antananarivo.


Copyright Image : © MSK

Fanafihana ny tranombarotra iray tetsy Alasora

Ny 26 jona lasa teo no nitrangana fanafihana mitam-piadiana iray, tetsy amin’ny tranombarotra Shop Liantsoa Ankadindratombo. Jiolahy roa no tonga nanafika ny toerana koa lasan’izy ireo tamin’izany ny vola mitentina 500 000 ariary. Lehilahy iray mpamily taxi ihany koa no namoy ny ainy rehefa notifirin’ireo jiolahy roa lahy.
Fantatra fa lehilahy mpiandry ny tranombarotra ihany no atidoha nikotroka ny fanafihana. Ity farany noho izany no naniraka ireo roa lahy voalaza tetsy ambony, hanao izao asa ratsy izao. Marihina fa efa nidoboka eny Tsiafahy ireto jiolahy telo ireto amin’izao fotoana. Noho iny fanafihana iny, lasa misy couvre-feu ny eny amin’ny Kaominina Alasora.


Copyright Image : © Polisim-pirenena Malagasy

Fahatratrarana Gardien nivarotra ny entanan’ny mampiasa azy

Anisan’ny tranga naresaka tamin’iny herinandro iny ihany koa ny trangana tsy fandriam-pahalemana niseho teny Imeritsiatosika. Trano iray, raha tsiahivina, no lasibatry ny mpangalatra. Lasan’ireto farany ny fanaka tao amin’ity trano ity ary efa lafony ihany koa ny sasany tamin’ireo entana. Tsy olona hafa anefa no nahavanona izao fa ny gardien na ny mpiandry tanàna izay nametrahan’ny tompon-trano fitokisana ihany.
Efa azo tany amin’ireo mpividy ny entana sasany, raha toa kosa ka mbola misy entana tsy tafaverina. Manentana ny mpiara-monina, araka izany ny mpitandro ny filaminana, mba hifanome tànana amin’ny famongarana ny asa fangalarana toa izao.


Copyright Image : © CIRGN Antananarivo

Fahatratrarana rongony tao Ambalavato

Rongony 12 kitapo izay mitotaly 90 kg no tratra. Ny alakamisy 27 jolay 2023 lasa teo, nisy olona 06 avy any atsimo tao Ambalavato Antevato milanja rongony ho any Vondrozo. Nomena baiko avy hatrany ny zandary rehetra tao sy tany Sindrikatsy mba hisakana izay rehetra tokony handalovany. Tamin'ny 04 ora dia nifanehatra t@ ireo mpitondra rongony tao Beretra-II ny zandary sy andrimaso ary ny kartié mobily. Tratra ny efadahy tamin'izy ireo fa ny roa kosa tafaporitsaka raha vao nahatazana ny zandary sy fokonolona maro.


Copyright Image : © Rakotoarisoa Eugène

Fitehirizina ilay trozona fefika tonga teny amin’ny morontsiraka

Nankarina an-tanety vao maraim-be ny 26 jolay ilay taolan-trozona natsingevan’ny ranomasina tao Behinta, kaomina Ambanibohitra Anakao, distrikan’i Toliara. Araka ny vaovao voaray dia hanaovana fikarohana io sisan’ilay taolan-trozona io.
Nandritra ny fidinana ifotony notanterahan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny dia nanentana ireo vahoaka efa tafatakatra 500 isa mahery izy ireo ny mba tsy hihinana izany. Matetika tokoa manko no misy olona mihinana ireny karazana hazan-dranomasina ireny, izay mety hiteraka fahapoizinana sy fahafatesana mihitsy aza.


Copyright Image : © Ministeran'ny Jono

Lalao Basket any Antsirabe

Antsirabe indray no mandray ny lalao Championnat National U18 lahy sy vavy amin'ity taona ity. Mizotra tsara ny fifaninanana. Azo leferina ihany koa ny hatsiaka. Ny 6 aogositra moa vao hifarana ny lalao.


Copyright Image : © Telma

Lalaon'ny Frankofonia

Manana solontena i Madagasikara any amin'ny Lalaon'ny Frankofonia any Kinshasa. Vaovao mahafinaritra no nanamarika tamin'ny faran'ny herinandro : nisy mpilalao malagasy nahazo medaly. Nandrombaka medaly volafotsy i Mbola Rakotoniaina teo amin'ny taranja tolona teo amin'ny sokajy latsaky ny 74 kilao. Izy no nisantatra ny fahazoana medaly ho an'i Madagasikara any amin’ny lalaon’ny Frankofonia.


Copyright Image : © MJS

Fanamboarana ny Gymnase Ankatso

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy, izay ho tontosaina ny 25 aogositra hatramin’ny 03 septambra i Madagasikara ankehitriny. Anisan’ny fanomanana izay atao ny fametrahana sy ny fanamboarana ary ny fanavaozana ny « Gymnase couvert Ankatso » izay toerana handraisana ny taranja Volleyball.
Araka ny vinavina dia tokony ho vita alohan’ny 10 aogositra ho avy izao ny asa fanamboarana sy fanavaozana io toerana io. Raha tsiahivina dia efa an-taonany maro tokoa no efa nahitana fahasimbana io gymnase io.


Copyright Image : © Facebook

Fankalazana ny tsingerin-taonan'i Jaojoby

Feno 68 taona tamin'ny asabotsy 30 jolay lasa teo ny mpanakanto Jaojoby Eusèbe. Teraka ny taona 1955 ny Roi du Salegy. Nisy moa ny Concert-Anniversaire niarahany tamin'ireo akaiky azy sy ireo mpankafy, teny amin'ny Jao's Pub Ambohipo.


Copyright Image : © Net

Lire la suite

Articles Similaires