Arsevekan'ny Ardiosezy Antananarivo : Fiangonana mampandroso firenena
Anisan’ireo olo-manankaja tonga nanotrona ny sorona masina fametrahana ny Arseveka vaovaon’ny Ardiosezin’Antananarivo, Jean de Dieu Raoelison, ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, androany 30 jolay 2023
Vory lanona ny kristianina katolika
Teny Soamandrakizay no nanatanterahana ny sorona masina fametrahana ny Arseveka Jean de Dieu Raolison, androany maraina. Vory lanona ireo mpino kristiana katolika nandritra izany. Anio ihany koa manko no namaranana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny Journée Nationale des Enfants na JNE 2023, izay nampivondrona ankizy miisa hatramin’ny 15 000 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy.
Niarahaba ny Arseveka ny filoham-pirenena Malagasy
Ankoatra ny fanomezam-boninahitra ny fotoana dia niarahaba manokana ny Arseveka Jean de Dieu Raoelison ihany koa ny filoha Andry Rajoelina. Tsy adinony ihany koa ny nankahery ny Arseveka manoloana ny adidy masina izay miandry azy. Nanantitra ny fisaorana ny Fiangonana Katolika ny filoha noho ny fandraisan’izy ireo anjara lehibe amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Sehatra maro tokoa no sahanin’ny fiangonana katolika toa ny fanabeazana ny zaza malagasy, ny fahasalamana ary ireo asa soa maro isan-karazany izany hiaran’ny fiangonana miasa amin’ny fitondram-panjakana.
Ankoatra ny filoham-pirenena Andry Rajoelina dia nanatrika ny fotoana ihany koa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ny fotoana toa izao moa dia ahitana ny fanatrehan'ireo tompon’andraikim-panjakana sy ny ankolafin-kery politika maro isan-karazany, indrindra rehefa vanim-potoanan’ny fifidianana toa izao.