• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cirgn Antananarivo
Image
Vaovao

Imeritsiatosika : "Gardien" nivarotra ny entana rehetra tao an-trano

28/07/2023 06:27 © Moov.Mg

Nametrahana fitokisana ireto fianakaviana kely "Gardien" ka nanararotra izany. Trano faharoa (Résidence secondaire) iray no saika foana ny entana rehetra tao an-trano. Efa maromaro moa ny entana lafon'ireo Gardien.

Tranon'olona mipetraka eny Ambohitsirohitra eny no saika foana ny entana rehetra. Nankinina tamina fianakaviana kely moa ny fiambenana ny tanàna.
Ireo zandary kaompania Arivonimamo no nahatsikaritra olona nitaona entana tamin'ny andro alina. Varavarana entina posy no tra-tehaka tamin'izany. Nanaovana fanadihadihana ireo olona nandray ny entana tamin'ny andro alimbe ka nidinana ifotony ilay mpiambina izay voalaza fa nividianana izany.
Rehefa tonga tany an-toerana ny zandary dia efa vonona avokoa ireo entana sasany mbola saika hamidy : hatrany amin'ny salon complet vrai cuir, bahut palissandre, meuble télé en pin laqué, eny hatramin'ny vera fisotroana whisky aza. Ampolony maro ireo karazana fanaka sy kojakoja efa nivadika vola ary saika fongana tsy nisy tavela intsony ny entana izay feno tanteraka sy azo onenana izay nankinina taminy. Nalaina tsirairay tany amin'ny mpividy samihafa nefa ireo entana rehetra namidiny. Mbola misy tsy tafaverinakosa hatramin'izao.

Fahamailoana

Entanina ny mpiara-monina mba hifanome tanàna ny amin'ny famongarana ny asa ratsy. Raha misy olona mibata entana amin'ny andro alina ka mampiahiahy dia tsara raha mampandre ny mpitandro ny filaminana avy hatrany.
Asaina ihany koa ireo tompon-trano izay mametraka fitokisana amin'ny mpiambina mba ho mailo hatrany. Tsara raha tsirihina matetika ny filaminan'ny tanàna, indrindra efa maro ireo fitaovana ara-teknolojia efa azo ampiasaina.

Lire la suite

Articles Similaires