• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Trozona fefika tao Anakao : Hotehirizina any amin'ny Mozea ireo sisan-taolana

26/07/2023 20:13 © Moov.Mg

Hanaovana fikarohana ilay sisan'ny taolan-trozona natsingevan'ny ranomasina tao Behinta, Kaominina Ambanivohitra Anakao, Distrikan'i Toliara, Faritra Atsimo Andrefana.

Ny marainan'ny 25 jolay 2023 no nahitana taolan-trozona lehibe natsingevan'ny ranomasina. Manodidina ny 8 metatra ny halavan'ilay "squelette" hita tamin'izany. Nakarina an-tanety vao maraim-be androany 26 Jolay 2023 ny vatan'io trozona fefika io.
Nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra ka tonga nidina ifotony nijery zava-nisy ny tompon'andraikitra ao an-toerana.

Nentanina sy norarana avy hatrany ireo fokonolona avy eo an-toerana sy avy any amin'ny Fokontany manodidina mba tsy hinana an'io trozona io. Efa tafakatra 500 mahery mantsy ireo olona nitangorona, sady efa niaraka tamin'ny fitaovana maranitra isan-karazany. Natao ihany koa ny fampandrenesana isan'ambaratonga any an-toerana nampahafantarana ny tranga misy toy ny Fokontany, Kaominina, Zandarimariam-pirenena ary ny ONG WWF.

Fitandremana

Rehefa misy trondro lehibe atsingevan'ny ranomasina toy izao dia ny fandrarana ny mponina manodidina tsy hihinana izany no tena vaindohan-draharaha. Tsy vitsy mantsy ireo olona efa namoy ny ainy noho ny fanararaotana mihinana ireny haza efa maty ireny. Ampahatsiahivina fa maro ireo biby an-dranomasina lehibe no tsy mahasoa ny olombelona, indrindra moa raha maty voapoizina izy ireny.
Entanina ireo mponina manodidina ny sisin-dranomasina mba hampandre ny manam-pahefana raha vao misy fatim-biby mampiahiahy.

Lire la suite

Articles Similaires