• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Polisim-Pirenena Malagasy
Image
Vaovao

Fitaterana eto an-drenivohitra : Mila manana "gilet" sy "badge" ireo Taxi-Moto

26/07/2023 20:07 © Moov.Mg

Fitaterana eto Antananarivo Renivohitra : Miroso amin'ny fampanarahan-dalàna ireo Taxi-moto ireo tompon'andraikitra. Manomboka izao, tokony manana "badge" sady manao "gilet" ireo mpitondra moto miasa.

Efa tafiditra ao anatin'ny fitaovam-pitaterana miasa isan'andro eto an-drenivohitra ny Taxi-moto. Manampy olona maro hamonjy asa na fotoana maika mantsy ireny kodiaran-droa ireny. Mba ho fampanarahan-dalana sy fiarovana ny ain'ny mpitondra & ny mpandeha, tokony misoratra amin'ny Vovonan'ny Mpitatitra Taxi Moto eto Madagasikara (VMTM) avokoa ireo mpisehatra rehetra.
Androany 26 jolay 2023, nidina ifotony nanentana ireo mpamily taxi-moto ny Polisy misahana ny fifamoivoizana hiditra eo amin'ny sehatry ny ara-dalàna. Izany no natao dia mba hisorohana ny trangana tsy fandriam-pahalemana mety hiseho eny an-dalambe. Eo ihany koa ny fitsinjovana ireo mpandeha mba tsy hitrangan'ny lozam-pifamoivozana.
Araka izany dia mila manao "badge" sy "gilet" ireo mpamily taxi-moto hahafantaran'ireo mpandeha azy ireo. Azon'ireo taxi-moto mbola tsy ara-dalàna ny manantona ny foiben'ny VMTM eny 67ha.

Fiarovan-tena sy fiarovana ny ain'ny hafa

Ny VMTM dia manome vahana kokoa ireo taxi-moto izay manana fanomezan-dalana hamily kodiaran-droa. Izany no natao dia mba iarovana ny ain'ny mpamily sy ny mpanjifa. Misy moa ny antontan-taratasy fenoina ahafahana mitsara raha afaka miasa tsara na ny mpitondra moto na ny moto izay ampiasaina.
Raha ny tokony ho izy, mila manao "casque" ny mpanjifa rehefa mandeha taxi-moto. Azo atao tsara ihany koa ny miresaka amin'ny mpamily mikasika ny hafainganam-pandeha.

Lire la suite

Articles Similaires