• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Présidence_De_La_République_De_Madagascar
Image
Vaovao

Vary : 30 taonina isan’andro no vary tsinjo aparitaka eto Antananarivo

24/07/2023 16:34 © Moov.Mg

Mitohy ny fizarana Vary Tsinjo, manoloana ny fahalafosan’ny vidim-bary, araka ny nambaran’ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana.

Anisan’ny mampikaikaika ny vahoaka ny vidin’ireo entana fampiasa andavanandro izay nahitana fiakarany taona maromaro izay. Anisan’izany ny vary, izay tsy latsaky ny 2400 ariary, ary mety hahatratra 3000 ariary ny vidiny amin’ny ankapobeny.

Fizarana Vary Tsinjo

Tsiahivina fa efa an-taonany maro izay no nanafaran’ny fanjakana malagasy ny vary tsinjo, noho ny fahalafosan’ny vidin’ny vary. Mbola mitohy, ankehitriny, izany fanafarana sy fizarana vary tsinjo izany. Fokontany manodidina ny 30 sy mpivarotra atsinjarany manodidina ny 80 eo ho eo no hizaran’ny orinasa SPM na State Procurement of Madagascar izany, isan’andro, araka ny nambaran’i Andry Randriamiaramahefa, Talen’ny Varotra Anatiny.
Eny anivon’ireo toerana voatondro, izany hoe, eny amin’ny fokontany na eny amin’ny mpivarotra atsinjarany, ireo mpanjifa no afaka misitraka izany vary amin’ny vidiny mirary izany. 650 ariary moa no kapoaka hivarotana ity vary tsinjo ity, raha toa ka manodidina ny 750 ariary ny vary hafa.

Fanaraha-maso

Amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany amin’ny resaka varotra sy fanjifana ny ministera dia mijery akaiky ny fanatanterahana ny tetikasa Vary Tsinjo izy ireo. Misy araka izany ny fandrindrana sy ny fanaraha-maso ny fitsinjarana ny Vary Tsinjo eny anivon’ireo fokontany sy mpanjijara. Izao no atao dia ny mba hialana amin’ny mety ho fangalarana na fakana tombony tsy ara-drariny izay mety hataon’ireo mpivarotra.
Ny herinandro lasa teo dia teny Ankorondrano sy ny manodidina no nahitana ny kamiao mitondra ny Vary Tsinjo. « Tsy vary stock fa vary vokatra eto an-toerana no nentin’io faira io, ary eny am-pandehanana vao mitady mpivarotra mpandray ny tompon’andraikitra ara-barotra », hoy ny Foibem-pitondrana misahana ny Fiarovana ny Mpanjifa (DPC).
Na dia eo aza anefa ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana, dia tsapa sy hita fa mbola tsy mahavaha ny olana izay sedrain’ny vahoaka izany. Efa tsy takatry ny fari-pananana intsony manko ny vidim-piainana ankehitriny.

Lire la suite

Articles Similaires