• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Distim Ve
Image
Vaovao

Marc Ravalomanana tao Eoropa : Hanarina ny firenena aho !

23/07/2023 07:05 © Moov.Mg

"Manome toky aho fa tena hanarina marina an'i Madagasikara", hoy i Marc Ravalomanana, tamin'ny fihaonana tamin'ny Diaspora Malagasy tao Frantsa, omaly 22 jolay 2023.

Fahombiazana no azo ilazana ny hetsika notarihin'i Marc Ravalomanana omaly. Feno hipoka mantsy ny toerana efa nomanina handraisana ny lanonana, tao Saint Germain Les Arpajons. Nanotrona ny lanonana ireo mpikambana ao amin'ny RMDM, ireo depiote TIM ary ireo mpanara-dia rehetra mipetraka ao France.
Namelabelatra ny MAP PLUS ny filoha teo aloha sady kandida amin'ny fifidianana filoham-pirenena Marc Ravalomanana. Tamin'izany indrindra no nanambarany fa vonona izy hanarina an'i Madagasikara, izay tena latsaka an-kady tanteraka. Ireo programan'asany no ho ampihariny raha lany filoham-pirenena soa aman-tsara ny tenany. Mazava araka izany fa tsy mampihemotra ny filohan'ny antoko TIM ny fiakaran'ny "caution" na ireo fanakiviana isan-karazany eny amin'ny tambazotran-tserasera isan-karazany.
Tsy adinon'i Marc Ravalomanana ny nanentana ny Diaspora rehetra any ivelany mba handray anjara amin'ny fifidianana. Manan-danja avokoa mantsy na dia vato iray aza, ary izany indrindra no hahafahana manova ny tantaram-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires