• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Compagnie De Gendarmerie Ambohidratrimo
Image
Vaovao

Fipipizana ankalamanjana : Lehilahy 7 voasambotra

22/07/2023 07:11 © Moov.Mg

Zary lasa fahazarana ny mipipi eny ankalamanjana, indrindra ireo lehilahy, rehefa mahita takotakona na toerana malotoloto. Omaly, lehilahy miisa 7 no voasambotry ny zandary teny Talatamaty, noho ny fipipizana tamin'ny toerana maromaro izay efa misy fandraràna.

Sazy mihatra

Nosamborina izy 7 lahy ka nampitondraina pancarte fifonanana amin'ny vahoakan'i Talatamaty. Teny amin'ny biraon'ny zandarimaria Ambohidratrimo moa no nanaovana fanadihadihana sy nangalana sary azy ireo. Nandika lalàna sy tsy nanaja ny fiaraha-monina mantsy izy ireo tamin'ny mbola nanaovany maloto teny amin'ny faritra efa voarara. Hitan'izy ireo tsara ny takelaka saingy ninia nipipi izy ireo satria efa fanaony izany. Lasa fahazaran-dratsy mihitsy ny mpipipi rehefa misy toerana tsy be mpandalo firy sady toa efa fanaovana izany.
"Rehefa tsy laitran'ny balan'ny fananarana dia tsy maintsy andraisana fepetra. Efa mba mazava ireny peta-drindrindra sy soratra maventy mazava ireny anefa mbola manao fanahy iniana mitifitra ankalamanjana ihany ka aleo nosamborina", hoy ny Compagnie de gendarmerie Ambohidratrimo.

Fanabeazana

Entanina ny rehetra hanaja fahadiovana. Indrindra, efa maro ireo toerana misy soratra fa tsy azo anaovana maloto. Matetika ny maro no minia mikipy fotsiny nefa sady tsy manaja ny tena no tsy manaja ny hafa. Ampahatsiahivina fa enjehin'ny lalàna ny fandotoana ny tanàna.
Antenaina araka izany ny hanaovan'ny mpitandro filaminana hetsika manokana, anafaizana ireo mpandoto tanàna. Tsy vitsy mantsy ny faritra tena maimbo noho ny fanaovana maloto ankalamanjana, toy ny etsy Anosy, eny ampitan'ny Tribonaly sy ny Radiom-pirenena.
Tsy azo atao ambanin-javatra ny fanabeazana ny olom-pirenena. Manana andraikitra ny tsirairay amin'ny fitandrovana ny fahadiovana. Amporisihana ny rehetra mba hamonjy toeram-pivoahana rehefa te hanao maloto. Efa misy WC public mantsy ny ankamaroan'ny faritra eto Antananarivo. Azo atao tsara ihany koa ny mindrana WC eny amin'ireny hotely na toeram-pivarotana isan-karazany ireny.

Lire la suite

Articles Similaires