• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marc Ravalomanana
Image
Vaovao

Marc Ravalomanana : Hihaona amin'ireo Diaspora Malagasy ao France

22/07/2023 06:14 © Moov.Mg

Vaovao misongadina androany 22 jolay 2023 ny fivahinianan'ny filoham-pirenena teo aloha, sady kandida amin'ny fifidiana filoham-pirenena, Marc Ravalomanana. Hihaona amin'ireo vahoaka Malagasy monina ao Lafrantsa ny tenany.

Fanomanana ny fifidianana 2023

Tsy eto Madagasikara ihany no misy mpandray anjara amin'ny fifidianana 2023. Hifidy avokoa mantsy ireo Malagasy monina any ivelany. Izany indrindra no mahatonga ireo kandida tsy manadino ny Diaspora Malagasy. Raha vao tsy ela akory izay i Hery Rajaonarimampianina sy i Siteny Randrianasoloniaiko no nankany France, ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana indray no any an-toerana. Manome fotoana ireo vahoaka Malagasy monina any ny tenany ny tolakandro amin'ny 2 ora, ao Saint-Germain-lès-Arpajon.
Heverina fa hanamafy ny fahavononany amin'ny filatsahana indray ho kandidà amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenena. Andrasan'ny Diaspora Malagasy ao France ihany koa ny programan'asa MAP PLUS, izay kasain'i Marc Ravalomanana ampiharina raha lany soa aman-tsara izy.

Omaly 21 jolay, nisy ny fihaonana teo amin'i Fanirisoa Ernaivo sy i Marc Ravalomanana, ary ireo mpikambana ao amin'ny Rodoben'ny Mpanohitra eto Madagasikara (RMDM). Niparitaka tamin'ny tambazotran-tserasera Facebook moa ny sarin'izy ireo miara-miala hetaheta. Nisy moa ny feo niely fa nangataka fanampiana ara-bola tamin'ny fitondrana frantsay i Marc Ravalomanana, ahafahany manatanteraka fampielezan-kevitra.


Copyright Image : © X

Fiatrehana dingana sarotra

Tsy mora ho an'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny handrombaka indray ny fitondrana. Samy mampiseho ny tanjany avokoa mantsy ny kandidà rehetra. Ny eo amin'ny fitondrana rahateo mampiasa ny fahefana rehetra ananany mba hitazomana ny fon'ny vahoaka Malagasy.
Somary nahalasa saina ny maro ny nanatrehan'i Marc Ravalomanana ny fankalazana ny fetim-pirenena Frantsay, tamin'ny 14 jolay lasa teo teny Ivandry. Tsy nanotrona ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy teny Mahamasina nefa ny tenany. Tsy vitsy ireo milaza fa te haka ny fon'ireo Frantsay ihany koa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Tsy azo lavina mantsy fa izay kandidà tohanan'ny Frantsay dia mahazo vahana kokoa amin'ny fifidianana, indrindra moa rehefa tonga eo amin'ny fitondrana.
Andrasana araka izany ny akon'ny dian'ny filoham-pirenena teo aloha tany Lafrantsa. Hatreto, mbola tsy voafaritra mazava ny daty iverenany eto an-tanindrazana.


Copyright Image : © X

Lire la suite

Articles Similaires