• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ong_Tolotsoa
Image
Vaovao

Lisi-pifidianana : Maherin’ny 11 tapitrisa ireo nisoratra anarana

21/07/2023 17:04 © Moov.Mg

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy ny fisoratana sy ny fijerena anarana ao amin’ny lisim-pifidianana ho an’ity taom-pifidianana 2023 ity.

Tapitra ny fisoratana anarana hifidy

Tapitra hatreo araka izany ny fahafahan’ireo olom-pirenena misoratra sy manamarina ny anarany eny anivon’ny fokontany. Ny fahazon-dàlana manokana avy amin’ny tribonaly ihany sisa no ahafahana manokatra izany lisitra izany indray. Taorian’ny fanesorana ireo anarana miverina ao anatin’ny lisitra, izay notanterahan’ny avy eo amin’ny CENI ny 18 sy ny 19 jolay teo dia fantatra fa 11 043 317 eo ireo mpifidy nisoratra anarana. Tsy tratra araka izany ny tanjona izay nametrahana fa 13,5 tapitrisa no mpifidy ho soratana anatin’ny lisitra. 81,25% ny tahan’ny fisoratana anarana araka izany.

Eto Antananarivo ny ankamaroan’ireo mpifidy

Araka ny tatitra nataon’ny CENI dia eto Antananarivo no ahitana mpifidy betsaka indrindra. 3 391 637 ireo olom-pirenena voasoratra ao anatin’ny listry ny mpifidy eto Antananarivo. Aorianan’Antananarivo dia i Fianarantsoa izay ahitana mpifidy 2 107 847 isa, raha toa ka 1 685 545 izany ao Toamasina. Raha Toliara kosa no resahana dia 1 631 637 ireo mpifidy nisoratra anarana, 1 381 141 izany ho an’Antsiranana raha 844 545 izany ho an’Antsiranana.

Araka ireo antontan’isa ireo dia olona 293 902 no tafiditra tao anatin’ny lisitra hoarina ny tamin’ny taona 2021 2022. Nanano sarotra ny fanisana ny mpifidy anefa ny tsy fahaizan’ny olona manavaka ny atao hoe « révision » sy ny « refonte ». Tao ihany koa ohatra ny fifindramonina, ny tsy fahafantaran’ny olona ny fisian’izany fanavaozana ny lisi-pifidianana izany akory, ary ny tsy fananana karapanondrom-pirenena. Vokatr’izany dia mpifidy 1 924 848 eo no tsy voasoratra anatin’ny lisi-pifidianana.

Lire la suite

Articles Similaires