• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Olan’ny Jirama : Manazava ny ministra

21/07/2023 14:24 © Moov.Mg

Anio 21 Jolay 2023 no fotoana nomen’ny ministry ny Angovo sy ny Akoran’afo, Andrianamanampisoa Solo, hihaonana tamin’ireo mpanao gazety. Nandritra izany no nitondrany fanazavana mahakasika ireo tsy fahatomombanana eo anivon’ny Jirama.

Jiro tapaka nandritra ny fanadinana bakalorea

Anisan’ireo teboka lehibe noresahanan’ny ministra tamin’ny mpanao gazety anio ny olana mifandraika amin’ny fahatapahan-jiro. Amam-bolana maro tokoa izay no niainan’ny vahoaka malagasy tao anatin’ny fahatapahan-jiro miodina.
Tsy ela akory fa ny Alarobia lasa teo ohatra dia niteraka olana goavana izany fahatapahana izany. Voatery niatrika fanadinana tao anatin’ny haizana ireo mpiadina teny Tanjombato, rehefa taraiky vao nozaraina ny laza adina Tantara sy Jeografia. Manoloana izany dia nanazava ny ministra anio fa ireo papango nisaringotra tamin’ny andrinjiro sy ny taroby teny Namontana sy Nandihizana no nitarika iny fahatapahan-jiro iny.
Ankoatra izay dia nitondra fanazavana mahakasika ny fahatapahan-jiro amin’ny ankapobeny ny ministra. Ny fahataran’ny famatsiana solika mavesatra miainga avy any Toamasina hatrany moa no anisany antony voalaza miteraka ny fahatapahan-jiro. Araka ny nambaran’ny ministra dia tsy ampy isa ireo kamiao afaka mitatitra ny HFO (solika mavesatra) ho an’ny Jirama. « Tsimaintsy ny tahiry teto an-toerana aloha no nampiasaina ho fitsinjovana ny vahoaka. », hoy ny tenany.
Fantatra ihany koa fa izay solika tonga dia lany avy hatrany, vokatry ny fahataran’ireo fiarabe mpitatitra HFO ireo. Mametraka tanjona ny hampiakatra 100 ny isan’ny fiarabe izay mpamatsy ny Jirama eto Antananarivo, Mahajanga ary Toliara araka izany ny ministera mpiahy, raha mbola 70 eo izany ankehitriny. Nanazava ihany koa ny ministra fa fepetra aro-loza maneran-tany, izay tsimaintsy raisina, ny fanapahana ny herinaratra rehefa misy ny asa fanamboarana ny simba sy ny fanampiana tanjaka ireo fotodrafitrasa.

Faktiora miakatra

Anisan’ny olana iray lehibe mampikaikaika ny mpanjifa ny Jirama ihany koa ny fiakaran’ny faktiora. Fantatra ary fa fampitovizana ny sandan-jiro ho an’ny mpanjifa eto Antananarivo sy ny any amin’ny Faritra rehetra no anisany antony mahatonga io fiovan’ny faktiora io. « Ho averina ihany koa aloha ny fandefasana ireo mpiasan’ny jirama maka ny mari-pandaniana na ny « relevé » any an-tokatrano.» hoy hatrany ny ministra. Azon’ny mpanjifa atao soa aman-tsara ihany koa ny maka fanazavana eny anivon’ny masoivohon’ny jirama akaiky azy raha ahitana fiakarana mihoatra ny 50% ny faktiorany.
Manoloana ireo olana maro samihafa misy eo amin’ny Jirama dia misy ny drafitra sy paikady hanarenana sy hanatsarana io orinasa io. Nambaran’ny ministra ary fa hamafisina ny paikady hampihenana ny fahaverezan’ny vokatra. Be loatra ny tahan’ny fahaverezan’ny vokatra eto Madagasikara raha toa ka 15% ihany no taha azo ekena maneran-tany. Hisy araka izany ny asa fanarenana ara-barotra mba hampidirana vola bebe kokoa.
Ao anatin’ny famahana ny olana hatrany dia nanambara ny ministra fa tsy ho ela dia hapetraka ny tompon’andraiktra vaovaon’ny Jirama na ny Manager de Redressement izany. Teratany vahiny roa moa no fantatra fa kandidà voatazona farany tao anatin’ny sivana ary hisafidianana. Fantatra fa « olona manam-pahaizana manokana amin’ny fitantanana sy fanarenana orinasa, manana fahavononana hitondra fahazaiza-manao sy traikefa hanarena sy hanatsarana ny orinasa Jirama ao anatin’ny 2 taona ho avy ». Etsy andaniny dia fanazavana efa tsy dia vaovao amin’ny sofin’ny mpanjifa intsony ireo nifampizaran’ny ministra tamin’ny mpanao gazety anio. Fandraisana andraikitra matotra sy fametrahana vahaolana mahomby anefa no andrasan’ny vahoaka, izay tsapa fa mbola tsy tafapetraka hatreto.

Lire la suite

Articles Similaires