• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © 360100469_660723262749855_6627876152053731129_N.Jpg
Image
Vaovao

Fandefasana mpiasa any amin'ny tany Arabo : Lehilahy roa voasambotra

20/07/2023 22:13 © Moov.Mg

Mbola mikatona ny fanomezana alalana ireo mpiasa hihazo an'i Koweït sy Arabie Saoudite. Tovolahy roa mpandefa mpiasa an-tsokosoko no tra-tehaky ny mpitandro ny filaminana.

Vehivavy hiasa an-trano

Vehivavy hiasa an-trano miisa 12 no saika alefan'izy roalahy an-tsokosoko tany amin'ny tany arabo. Samy avy any amin'ny faritra SAVA avokoa moa ireo vehivavy ireo. Noho ny ezaky ny polisy sy ny loharanom-baovao nefa, tsy tontosa ny fanondranana olona. Tratra tetsy Anosy niaraka tamin'ireo vehivavy saika hanamboatra Pasipaoro moa izy roalahy ireto . Tao anatin'ny fanadihadiana no nahafantarana fa alefa any OMAN ireto vehivavy ireto ary rehefa tonga any dia haparitaka any Koweït sy Arabie Saoudite .

Tetika maty paika

Efa manana fomba fiasa manokana izy roalahy ireto. Efa misy trano hofain'izy ireo eto Antananarivo hivantanan'ireo vehivavy ary hipetrahan'ireto farany mandrapahavita ny antontan-taratasy rehetra.
Ankoatra ny vola efa notakiana tamin'ireo vehivavy dia vola mitentina 600 000Ar hatramin'ny 1 200 000 Ar no alain'izy roalahy amin'ireo vehivavy tsirairay hanamboarana Pasipaoro . Entin'ny tsy fahitana asa eto an-toerana moa ny sasantsasany amin'ny Malagasy, hany ka mitady izay fomba rehetra ivoahana ny firenena ahazoana vola haingana kokoa.

Lire la suite

Articles Similaires