• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Midi Madagasikara
Image
Vaovao

Baccalaureat : Tovolahy milaza ho mpivarotra laza adina voasambotry ny pôlisy

19/07/2023 07:30 © Midi Madagasikara

Anaty tambajotra sosialy no anjonoan’ity mpisoloky ity ireo lasibatra. Ny alatsinainy lasa teo, tovolahy iray 22 taona, mbola mpianatra, no voasambotry ny pôlisy avy eo anivon’ny sampana miady amin’ny heloka an’habaka, tany Antsiranana.

Milaza ho manana sy mivarotra laza adina bakalorea ranamana ary dia tena maro tokoa ireo roboka sy miezaka manjifa ao aminy, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny pôlisy. Rehefa nozohina anefa ny toe-draharaha ary taorian’ny fanadihadiana nataon’ireo mpitandro filaminana dia fisolokiana goavana no ataon’ingahirainy. Taorian’ny fitarainana nataon’olona maromaro voasoloky tamin’ny resaka laza adina baccalaureat, izay amidy amin’ny tambajotran-tserasera, dia nandray andraikitra ny pôlisy, izay niara-niasa tamin’ny tambajotram-pifandraisana iray teto an-toerana. Ny fomba fiadiany, milaza ho mivarotra izany laza adina izany ity tovolahy ity, ary asainy mandefa vola amin’ny alalan’ny finday ireo olona roboka. Rehefa azony ny vola dia ataon’ilay olona « liste noire » iny laharana iny ka tsy afaka miantso na mifandray aminy intsony ilay nandefa vola.

Tao Lazaret, ao an-drenivohitry ny faritra Diana tao, no voasambotra ity tovolahy ity, ny alatsinainy maraina teo. « Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa tovolahy mpianatra, 22 taona, ka karapanondron’olona very no nentiny nividianana « puce » hanaovany ny asa ratsiny », raha ny vaovao voaray hatrany. Notazomina avy hatrany ho amin’ny fanadihadiana sy ny famotorana azy, ao amin’ny biraon’ny kaomisaria foiben’Antsiranana moa izany mpisoloky izany, mandra-piandry ny fanolorana azy ho eny anivon’ny Fampanoavana.

Lire la suite

Articles Similaires