• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra : Tanàna 50 nahazo hazavana

19/07/2023 06:25 © Moov.Mg

Fahombiazana feno ny an'ny WeLight amin'ny famatsiana herinaratra avy amin'ny angovo azo havaozina. Tao anatin'ny roa taona monja, tanàna miisa 50 eto Madagasikara misy mponina 55.000 hatreto no nahazo hazavana, tamin’ny alalan’ny ezaka fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra.

WeLight, tetikasa mifantoka amin'ny angovo ho an'ny daholobe

Mitentina 30 taptrisa Euros ny fampiasam-bola. Nanome 10 tapitrisa Euros ny « Banque Européenne d’Investissement » (BEI), araka ny nambaran’ny Filoha Lefiny, Atoa Ambroise FAYOLLE.
Tanjona ny hampitombo avo 2 heny ny vokatry ny tetikaza. Hatramin'ny faran'ity taona 2023 ity, tanàna 105 no hisitraka herinaratra, ary ho lasa 172 ny isany amin’ny volana Jona 2024.

Amin’izay fotoana izay dia hiisa 1 taptrisa ny mponina hisitraka hazavana, tokantrano 70.000 amin’ireo tanàna ireo, 800 kosa ireo orinasa sy mpamokatra, ary 1.200 ireo biraom-panjakana hahazo herinaratra. 149.000 Ariary ny saran’ny fampidiran-jiro, vina ny hampidina an’io. Arakaraky ny filàn’ny mpanjifa no aloany : mividy fahana ampidirina amin’ny « compteur prépayé » araka ny fanazavana nentin’ny Tale Jeneralin’ny WeLight Africa, Atoa Romain DE VILLENEUVE.

Tokantrano miisa 1.200.000 manerana ny Nosy no misitraka herinaratra, ka ny 650.000 amin’ireo no mpanjifan’ny JIRAMA. Anisan'ny maha-velombolo araka izany ny fanalalahana ny tontolon'ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara.


Copyright Image : © MEH

WeLight, tohanan'ny ministera mpiahy

Tonga nanotra ny fifanaovan-tsonia teo amin'ny WeLight sy ny « Banque Européenne d’Investissement » (BEI) ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA. Nampahatsiahiviny tamin'ny fandraisam-pitenenany fa manohana ireo tetikasa mikasika ny fampidirana herinaratra rehetra izy.
« Malalaka tsara ny sehatra fampidirana herinaratra eto Madagasikara. Tanjontsika voalohany ny hampiakatra avo 2 heny ny tahan’ny olona misitraka herinaratra eto Madagasikara. Manentana ireo mpiara-miombon’antoka sy ny sehatra tsy miankina ny tenako, hifanome tanana hanatanterahantsika miaraka ny vina. 80% n’ny vahoaka Malagasy dia miaina amin’ny tontolo ambanivohitra. Laharam-pahamehana ny fijerena manokana azy ireo hisian’ny fampandrosoana mirindra » hoy ny tenany.
Tokantrano miisa 1.200.000 manerana ny Nosy no misitraka herinaratra, ka ny 650.000 amin’ireo no mpanjifan’ny JIRAMA. Anisan'ny maha-velombolo araka izany ny fanalalahana ny tontolon'ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara.

Nisy moa ny fampirantiana ireo sary isan-karazany maneho ny famatsiana herinaratra any amin'ny tontolo Ambanivohitra.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires