• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Ankazobe : Dahalo roa no lavon’ny balan’ny zandary

18/07/2023 16:00 © Moov.Mg

Lehilahy roa, voalaza fa dahalo tao Ankazobe indray no lavon’ny balan’ny zandary.

Mitohy hatrany ny asa amin’ny fiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana izay ataon’ny eo anivon’ny zandary sy ny polisy. Nahitam-bokatra indray izany hetsika izany tamin’ity herinandro ity.

Fifampitifirana

Lehilahy roa, raindahiny amin’ny resaka halatr’omby sy fanakana ankeriny ary vono olona indray no lavon’ny balan’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ankazobe, anio. Omaly 17 jolay no nahazo vaovao avy tamin’ny olona tsara sitrapo ny zandary mahakasika an’i Kekely sy ny namany.
Nametraka paik’ady avy hatrany ny zandary taorian’izany ary nanao sakana tamin’ireo làlana sy kizo noheverina handalovan’ireo dahalo. Tao anatin’ny kizo iray akaiky ny tanànan’ny Miarikofeno no nifanehitra ny zandary sy ireo jiolahy amam-polony. Tsy nanaiky hatao sambo-belona anefa ireto farany fa namaly tamin’ny tifitra raha vao nahita ny zandary. Nisy araka izany ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta ka nahavoa ireto jiolahy roa ireto. Maty tsy tsa-drano moa ireto farany.

Ny momba momba ireo dahalo voatifitra

Fanatra fa i Rakotoarivelo Tinasoa Fidelis, fantatra amin’ny solon’anarana KEKELY ny iray tamin’ireo dahalo roa maty. Araka ny nambaran’ny zandary dia efa nokarohina hatrin’ny ela tao amin’ny distrikan’Ankazobe sy Maevatanana ary tany amin’ny faritra Alaotra-Mangoro tamin’ny resaka halatr’omby sy fankana olona ankeriny ary vono olona izy ity. MARA Zafimariny, antsoina ihany koa hoe MARA indray kosa ny faharoa. Dahalo karohina efa mpamerin-keloka ihany koa izy ity.
Nandritra izany fifanenjehana izany dia hita tany amin’ireto jiolahy ny basim-borona cablibre 12 sy ody gasy maromaro. Nisy finday roa ihany koa hita teny amin’ireto farany. Mbola karohina kosa ireo dahalo naman’izy ireo tafaporitsaka nandritra ny fifandonana.

Lire la suite

Articles Similaires