• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Midi Madagasikara.Png
Image
Vaovao

Halatra zaza moana : Nidoboka am- ponja ny ben’ny tanànan’ Ilakakabe

17/07/2023 08:49 © Midi Madagasikara

Nosamborin’ny zandary ary nanaovana fanadihadiana sy naiditra am-ponja avy hatrany ny ben’ny tanànan’Ilakakabe. Halatra zaza moana sy fikasana hanapa-doha no nahavosaringotra azy ka izao nampidoboka am- ponja vonjimaika azy izao.

Olona telo hafa nifanondro ho mpiray tsikombakomba tamin’ity raharaha ity ihany koa no niaraka nosamborina sy naiditra am-ponja. Raha tsiahivina dia ny 26 jona teo no nitrangan’ny fakana an# keriny sy fikasana hanapa-doha zazalahy moana iray tany an-toerana, ary dia izao sarona izao izy efa-dahy ireto.

Tsy afa-niala Ingahy ben’ny tanàna nanoloana ny fanondroan’ireo telo lahy azy. Ny fanadihadiana rahateo nanamafy ny maha tafiditra azy ao anatin’ity raharaha maloto ity. Toe-javatra izay mahazo vahana any amin’ny faritra tato ho ato. Rehefa tsy zaza varira dia ankizy mety manana fahasembanana indray ataon’ireo lasibatra.

Lire la suite

Articles Similaires