• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Andry Rajoelina : Tsy mbola mieritreritra fifidianana aho, fa mbola manasoa vahoaka !

16/07/2023 22:24 © Moov.Mg

"Ny ankamaroan'ny mpanao politika dia variana mieritreritra fifidianana. Ny tenako kosa dia mbola mifantoka amin'ny asa fanasoavana vahoaka. Izahay tsy mi-werawera fa miasa". Niantefa tamin'ny vahoaka Malagasy tsivakivolo ny resadresaka izay nifanaovan'ny filoha tamin'ireo mpanao gazety, natrehin'ireo olo-manan-kaja avy amin'ny lafivalon'ny Nosy.

Fotodrafitr'asa manakaiky vahoaka

Mora ny mitsikera fa sarotra ny manao zavatra, hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nambarany tamin'ny kabariny androany 16 jolay fa zatra manakihana loatra isika Malagasy, sady variana amin'ny "faux débats". Nanomboka tamin'ny hiram-bavaka ny fotoana teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha. Hiran'i Poopy no nanakoako. Taorian'izay dia nanatanteraka "bilan" ny amin'ireo asa vita rehetra nandritra izay efa-taona sy tapany izay.
Ireto avy izany :
-4198 no isan’ny sekoly natao manerana ny Nosy, 209 000 no isan’ny Zaza Malagasy nahazo toeram-pianarana.
-10 tapitrisa mahery ny boky nozaraina
-28 ny hopitaly natsangana. Efa tonga ireo Scanner miisa folo
-Nahazo 4*4 avokoa ny Chef District
-Notolorana fitaovana fanamboaran-dalana ireo governora rehetra
-Efa azo ireo famatsiam-bola ijerena manokana ireo mpamboly sy mpamokatra
-1milliard 14 millions de dollars no anarenana ny JIRAMA sy anamboarana lalana
-Tsy ho afa-baraka i Madagasikara amin’ny Jeux des Îles de l’Ocean Indien
Araka izany, nifantoka tamin'ny asa tanteraka i Andry Rajoelina, ary tsy namaly ny fanontaniana mikasika ny hilatsahany ho fidiana ho filoham-pirenena indray.

Fanazavana momba ny zom-pirenena

Mikasika ny zom-pirenena Frantsay izay ananan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, nanambara izy fa tsy mampiova ny rà Malagasy izay mikoriana ao anatiny izany. Nandray ohatra mikasika ireo filoham-pirenena samihafa izy, izay mizaka zom-pirenena maro, nefa nahatanteraka asa goavana sy miavaka. Anisan'izany ohatra i Nelson Mandela, izay mizaka zom-pirenena efatra. Nitondra fanazavana ny filoha Andry Rajoelina fa nanamorana ny fianaran'ny zanany ny nangatahany ny zom-pirenena Frantsay, fony izy mbola tsy filoham-pirenena Malagasy. Tsy andinin-dalàna iray ihany no mila dinihina hoy izy, fa maromaro, vao afaka manamarina hevitra iray. Ny "article 42" izao dia azo toherina amin'ny "article 45" sy ny "article 90" : Ny olona rehetra izay manana ray na reny Malagasy, monina sy mipetraka eto Madagasikara, dia mizaka ny zom-pirenena Malagasy.

Famalian-kafatra ho an'ny mpanohitra

Maromaro ireo valin-kafatra ho an'ireo mpanohitra. Anisan'izany ny filazan'ny filoha Rajoelina fa tsy fijerena ny tanjaky ny mpanao politika ny "Facebook". Raha te hahafantatra ny tena fitiavan'ny vahoaka hoy izy, dia eny an-kianja. Nampahatsiahiviny fa efa nikononkonona ny fanakanana ny vahoaka tsy ho eny Mahamasina ireo mpanohitra tamin'ny 26 jona lasa teo. Feno hipoka nefa ny kianja ary tsy nisy olana teny an-toerana. Nandritra ny roa andro ny vahoaka tsivakivolo no niara-nifety tao anaty firaisan-kina sy fifankatiavana.
"Ny vahoaka malagasy dia hendry : tsy mamaly faty fa mamaly soa izay natao azy". Izany no fijerin'ny filoha Andry Rajoelina manoloana ny zavatra rehetra mbola mila itadiavana vahaolana. Aminy manokana, mila ezaka ny fanarenana ny JIRAMA, na efa tafakatra 1 400 milliards aza ny subvention atolotry ny fanjakana. Nampahatsiahivin'ny Mpanao gazety mantsy fa tsy vitsy ireo olona very fananana sy fihinanana noho ny fahatapahan-jiro. Anisan'ny vahaolana efa natomboka moa ny fampiasana ny angovo azo avy amin'ny masoandro. Tsy maintsy hahazo "parc solaire" ny ankamaroan'ny distrika eto Madagasikara, indrindra ny eto Antananarivo sy ny faritra Atsimon'ny Nosy. Na mifarana aza hoy izy ny fe-potoana iasany, mbola hitohy avokoa ireo tetikasa efa mandeha.

Fanantenana amin'ny fandresena ny fahantrana

I Madagasikara no manana taha ambany indrindra amin'ny "inflation" : 8,2, noho ny fahaizana mitantana. Ekena fa mahantra isika, hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, saingy voafehy izany noho ny ezaka samihafa natao.
Raha ny "Taux de croissance" no resahina dia 3% tamin'ny taona 2012 nefa niakatra 4,4% izany ny taona 2019. Araka ny fandinihan'ny manam-pahaizana ao amin'ny Banky iraisam-pirenena, mety hahatratra 8% izany taha izany raha tsy misy krizy politika eto amin'ny firenena.
Mba hahatratrarana izany dia ho jerena manokana ireo tantsaha, mpamboly sy mpamokatra eto Madagasikara. Anisan'ny antoky ny fampandrosoana mantsy ny "autoinsuffisance alimentaire" na ny fahaleovan-tena ara-tsakafo.

Lire la suite

Articles Similaires