• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sénat De Madagascar
Image
Vaovao

Ambohitromby Ankazobe : Nahazo Centrale solaire hahazoana herinaratra

15/07/2023 22:35 © Moov.Mg

Misikatra herinaratra avy amin'ny herin'ny masoandro manomboka izao ny ao Ambohitromby Ankazobe. Androany 15 jolay no notokanana ny "Centrale solaire" tany an-toerana.

Angovo azo havaozina

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy mantsy ny "Centrale solaire" ao amin’ny Kaominina Ambohitromby ao amin’ny Distrikan'Ankazobe. Izany fotodrafitr’asa izany dia niarahana niasa tamina orinasa mpamokatra herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro izay avadika ao anatin’ny fitahirizan’aratra mba ho azon’ny tsirairay ampiasaina. Tsy adino ny fanohanan'i La Réunion an'i Madagasikara. Mamatsy herinaratra ho an'ny tokatrano manodidina ny telo arivo moa io fotodrafitr’asa io.

Velirano faha-2

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny velirano faharoan’ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry RAJOELINA, manao hoe « Angovo ho an’ny rehetra » ary koa ho fanatanterahana ny teniny manao hoe « Tsy hisy Distrika na Kaominina ho adino » moa izao hetsika izao.
Haharitra hatramin'ny 25 taona moa izao fotodrafitrasa notokanana izao ary ahafahan'ny tokantrano mampiasa jiro, fahitalavitra, radio, mameno aratra finday. Amin’ny alalan’ny fampiasana fitehirizan’aratra manokana na « batterie spéciale » no ahafahan’ny mponina misitraka izany ary indray mandeha isa-kerinandro ihany amin’ny sarany telo arivo ariary monja no mamahana izany.

Tonga nitokana izany ny Delegasiona mafonja avy amin'ny Antenimierandoholona izay notarihan'ny Filohany, Andriamatoa Herimanana RAZAFIMAHEFA, niaraka tamin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoran’Afo, Andriamatoa Soloniaina Rasamoelina ANDRIAMANAMPISOA, ireo tompon'andraikitra ambony ao amin'ny orinasa SOLAR PLEXUS izay nahitana ny Filohan’izany orinasa izany, Andriamatoa Alain ORRIOLS sy ny Tale Jeneraly, Andriamatoa Nicolas NAMY, ny « Président de la Chambre des Métiers et de l'Artisanat de la Réunion », Andriamatoa Bernard PICARDO ary olo-mana-kaja maro.

Lire la suite

Articles Similaires