• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Sabotsy Namehana : Tsy nahatanty nobedesina, novelesiny tamin’ny tapa-biriky ny lohan-drainy

14/07/2023 10:13 © Midi Madagasikara

Tovolahy iray no nosamborin’ny zandary teny amin’iny faritra Sabotsy Namehana, omaly maraina. Voarohirohy ho namono nahafaty an-drainy tamin’ny fomba feno habibiana ity farany, raha ny fanazavana azo.

Ny alin’ny alarobia lasa teo, tokantrano iray tao amin’ny fokontany Soaniadanana, ao anatin’ny kaominina Sabotsy Namehana, no nisehoan’ny vono olona mahatsiravina. Lehilahy lehibe iray, tokony ho 80 taona latsaka tany ho any no hita faty tao an-tranony. Tamin’ny fahatongavan’ny zandary sy ireo mpitsabo dia efa ity raim-pianakaviana mitsirara ao anaty ra mandriaka no novantanin’izy ireo. Nahitana ratra lehibe dia lehibe teo amin’ny lohany, izay antony, raha ny tombana nataon’ireo tompon’andraikitra, nahatonga ny fahafatesany. Ny fitsirihana ifotony ny razana no nahitana fa notontaina tamin’ny zavatra mafy ny lohan’ity rangahy lehibe ity. Tapa-biriky izay mbola nihoson-drà tsy lavitra teo. Tsy tazana teo an-toerana intsony moa ny nahavanon-doza ka nanokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana izany ireo zandary.

Fantatra tamin’izany fa nisy fifamaliana teo aminy ny zanany lahy anankiray tamin’io andro nahafaty azy io. Natao avy hatrany ny fikarohana iry voalohany, ka omaly maraina no tsikaritra teny an-toerana ihany ity farany. Niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ireo mpitandro filaminana, ary nentina natao famotorana tany amin’ny biraon’ny zandary ity voasambotra ity. Tamin’izany no nahalalana, raha ny fanazavana azo hatrany, fa izy mihitsy no nahavanon-doza. Voalaza fa nobedesin’ity rainy mafy mantsy ity zanany lahy ity. Tsy nahatanty izany fitenenana azy izany ny anao lahy ka rafitra namono an-drainy, tamin’ny alalan’ny biriky. Ny angom-baovao hatrany moa no nahafantarana fa manana aretin-tsaina ity farany, ary hoe nihetsika izy io tamin’ny fotoana nitenenana azy. Antony nahatonga azy nanao io fihetsika namoa-doza io.

Mbola voatana natao andrimaso ao amin’ny biraon’ny zandary moa ilay tovolahy, ho amin’ny famotorana azy sy miandry ny fotoana hanolorana azy eny anivon’ny Fitsarana.

Lire la suite

Articles Similaires