• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Groupement Gn Boeny
Image
Vaovao

Jiolahy mpanaky trano tany Mahajanga, tratra teto Antananarivo

14/07/2023 06:27 © Moov.Mg

Lehilahy iray efa nifampitadiavan'ny zandarimariam-pirenena tany amin'ny faritra Boeny no tra-tehaka teto Antananarivo. Mpamaky trano izy io, ary nikasa hiala sasatra lavitry ny tananany.

Mpiambina mivadika

Mpiambina na gardien no asan'ity ranamana iray. Fomba fiadiny ny mody mitady io asa io nefa ny hangalatra ny tanjony rehefa tsy eo ny mpampiasa azy. Ny 8 jolay teo izy no namaky trano teny Belinta fokontany Amborovy, Mahajanga.

Rehefa natao ny fanadihadihana dia efa tsy tany an-toerana intsony izy. Izany indrindra no nandefasana fikarohana manerana ny Nosy.
Sarona niaraka taminy ihany koa ny ody gasy maro sy karampanondrom-pirenena sandoka 2 samihafa fampiasany rehefa manao asa ratsy.


Copyright Image : © GN Boeny

Fahamailoana

Entanina ny rehetra mba samy ho mailo amin'ny fampidirana mpiasa ao an-tokantrano. Tsy vitsy mantsy ny mpiambina sy mpanampy an-trano mivadika rehefa manomboka mahafantatra ny fidiram-bola sy ny fiveziven'ny mpampiasa. Tsara ny mitahiry ny antontan-taratasin'izy ireny mba hahamora ny fikarohana raha tojo tranga manahirana. Tokony manome kara-panondro sy certificat de résidence ny mpiasa iray farafaharatsiny.


Copyright Image : © GN Boeny

Lire la suite

Articles Similaires