• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © L'Express_De_Madagascar
Image
Vaovao

Andavamba : Ny volana Oktobra no ho vita ny trano voalohany

13/07/2023 18:47 © Moov.Mg

Anisan’ny tanjona napetraky ny fitondram-panjakana ny fanatsarana ny tanànan’Antananarivo. Ao anatin’izany tetikasa fanatsarana ny tanànana izany indrindra ny hanomezana endrika vaovao an’Andavamba.

Miroso ny asa

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa « Tanàna vaovao Andavamamba » ny fanjakana ankehitriny. Araka ny fantatra dia velaran-tany mirefy 6752m2 no hananganana io tànana vaovao io. Miroso amin’ny fanotofana ny toerana hananganana ny trano vaovao sy ny làlana miainga Andavamamba mihazo an’Anosibe ankehitriny ny tetikasa PRODUIR. Ny fametrahana ny digue amin’ny sisiny roa no asa voalohany hirosoana amin’izany. Ao anatin’izany asa fanamboarana izany dia tokatrano miisa 87 no voatery hoesorina amin’ny trano fonenany satria misy ihany koa ny asa fanadiovana ny Canal C3.
Nanatanteraka fidinana ifotony hijerena ny fizotry ny asa ny minsitry ny Fanajariana ny tany, Ramaholimasy Holder anio. « Vinavinaina ho tafatsangana ny volana Aogositra ary ho vita amin’ny volana Oktobra ny trano voalohany. »

1,6 tapitrisa dolara no vola ampiasaina

1,6 tapitrisa dolara no famatsiam-bola avy amin’ny banky iraisam-pirenena amin’ny fanatontosana ity tetikasa ity. Heverina ho vita ao anatin’ny 13 volana ny asa. Ankoatra ny fanatsarana ny tanàna dia tanjona ihany koa ny hisorohana ny mety ho tondra-drano izay mateti-pitrangra rehefa fahavaratra indrindra eny amin’ny faritra iva.
Hisy araka izany ny fanesorana ny fotaka amin’ny lakan-drano mirefy 12 km izay ho alefa any Iarinarivo. Tsy maintsy esorina amin’ny toeraka nohoizany ireo mponina mipetraka manamorina ny C3 dia ny eny Anosibe, Andavamamba, Ankasina ary Ambodimita.

Lire la suite

Articles Similaires