• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ceni Madagascar Tournée.Jpg
Image
Vaovao

Fifidianana 2023 : 200 tapitrisa ariary ny saram-pirotsahana

12/07/2023 15:02 © Moov.Mg

Nifarana ny 06 Jolay lasa teo ny fahafahan’ireo mpifidy misoratra anarana sy manamarina ny anaran’izy ireo ao anatin’ny lisi-pifidianana. Efa tapaka omaly talata 11 Jona ihany koa ny daty hanatanterahana izany fifidianana izany.

Ankoatra izay dia nofaritrana nandritra ny filan-kevitry ny governemanta ny saran’ny fandraisana anjara, izay marihina fa nasiam-panovana.

Niakatra avo roapolo heny ny sarany

Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny governemanta, omaly, ny saram-pandraisana anjara na « cautionnement », amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amin’ity taona 2023 ity. Voafaritra nandritra izany filan-kevitra izany fa ferana ho roanjato (200) tapitrisa ariary ny saram-pandraisana anjaran’ny kandida tsirairay. Io sarany io dia fantatra fa hampiasaina amin’ny fanotana ireo bileta tokana hampiasaina amin’ny fifidianana, toa ny fanao isaky ny taom-pifidianana.
Nahitana fiakarany avo roapolo heny hoarina ny tamin’ny fifidianana 2013 anefa izany, izay marihina fa taona nanasiana fanovana farany io sarany io. Raha tsiahivina dia 10 tapitrisa ariary isaky ny mpilatsaka ho fidiana izany sarany izany, tamin’ny taona 2013 sy ny taona 2018. Napetraka ary io sarany vaovao io araka ny tolokevitra nataon’ny CENI.
Ho an’ireo izay maniry ny hilatsaka ho fidiana dia voatondro ao anatin’ny filan-kevitry ny governemanta ny daty fisokafan’ny fanaterana ireo antontan-taratasy firotsahana eny anivon’ny HCC. Ny Alarobia 23 Aogositra amin’ny 09 ora maraina ka hatramin’ny Alarobia 06 Septembra 2023 amin’ny 06 ora hariva no hahafahana manatanteraka izany.

Fisokafan’ny fampielezan-kevitra

Ankoatra io fanapahan-kevitra mahakasika ny saran’ny fandraisana anjara io dia nolaniana nandritra io filan-kevitry ny governemanta io ihany koa ny daty voatondro ho amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena. Fantatra ary fa ny 9 novambra 2023 no hanatanterahana ny fiodinana voalohany, raha ny 20 desambra kosa ny fiodinana faharoa.
Raha ny mahakasika ny fampielezan-kevitra manokana indray kosa no resahana dia ny 10 Oktobra 2023 amin’ny 06 ora maraina, ka hatramin’ny alarobia 08 Novambra 2023 amin’ny 00 ora no hanatanterahana izany. Araka ny lalàna manan-kery tokoa dia iray volana alohan’ny daty voatondro hirosoana amin’ny fifidianana fiodinana voalohany no hanombohana ny fampihelezan-kevitra amin’ny fomba ofisialy. Ny 05 Desambra 2023 amin’ny 06 ora maraina ka hatramin’ny 19 Desambra 2023 amin’ny 00 ora kosa no hanatanterahana ny fampielezan-kevitra fiodinana faharoa.
Hita anefa ankehitriny fa efa maro amin’ireo mpitarika antoko politika no manatanteraka fitetezam-paritra, na dia mbola tsy tafiditra ao anatin’ny fampielezan-kevitra ary isika.

Lire la suite

Articles Similaires