Faritra Vakinankaratra : Nisitraka didimpoitra faobe ny tao Mandriankeniheny
Nanatanteraka hetsika didimpoitra faobe ny Fiadidiana ny Faritra Vakinankaratra ny Alatsinainy 10 Jolay lasa teo, tao amin'ny fokontany Mandriankeniheny.
Fitsinjovana ny vahoaka sahirana
Vanim-potoana fanaovana hasoavan-jazalahy ny ririnina tahaka izao, maro anefa ireo fianakaviana sahirana amin'ny fanatanterahana izany. Ny avy ao amin'ny sampan-draharaha sosialin'ny Fiadidiana ny Faritra Vakinankaratra Ofisialy sy ny dokotera ao amin'ny Service de district de la santé Publique (SDSP) Antsirabe 1 no nandray an-tanana ny fandidiana. Tao amin'ny salle d'œuvre Katolika Ekar Trinite Masina Andraimasina no nandraisana ireo zazalahy kely noforaina. Maimaimpoana avokoa ny fandraisana azy ireo izay tolo-tanana manokana avy amin'ny Governora sy ny orinasa tsy miankina iray.
Fandidiana manara-penitra
Anisan'ny fandidiana madinika na "petite chirurgie" moa ny didimpoitra. Fitaovana manara-penitra no nampiasain'ireo mpitsabo, nisorohana ireo loza mpitranga. Tsy nisy nahiana ny fahasalaman'ireo zaza vita hasoavana. Nahazo torohevitra ihany koa ireo Ray aman-dreny mikasika ny fitandremana tokony atao rehetra.
Nisitraka vatomamy sy malabary moa ireo zaza rehetra noforaina.