• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Etat-Major Des Armées Malagasy
Image
Vaovao

Faritra Itasy : Omby 14 tafaverina amin'ny tompony

12/07/2023 06:05 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny Hetsika Tselatra izay tanterahin'ny zandarimaria any amin'ny Faritra Itasy. Azo lazaina fa tsara ny vokatra, sady manome tanana hatrany ireo fokonolona.

Ampoaratakatra, kaominina Ankisabe

Omby miisa enina (6) no nangalarin'ny dahalo tao amin'ny tananan' Ampoaratakatra, kaominina Ankisabe, distrikan' ny Soavinandriana, Faritra Itasy, ny alin'ny 07 jolay 2023 lasa teo. Raha nahare izany ireo tafika avy ao amin'ny ZDS Tsiatajavona dia niroso avy hatrany nandray andraikitra nitady ireo dahalo, niaraka t@ ireo zandary mitoby ao Ambatoasana sy ireo fokonolona ao an-toerana.
Azo soa aman-tsara ny omby roa (2) hita voalohany tao Angoavibe avaratr'Ambatoasana centre. Ny efatra (4) ambiny kosa dia azo tao @ tanana ny Malaza, fokontany Akon'ny Menabe, kaominina Mahavelona – distrikan'ny Soavinandriana, faritra Itasy ihany. Marihana fa efa naverina tamin'ny tompony avokoa ireo omby ireo.

Ambohimpihaonana, kaominina Tamponala

Omby miisa iraika ambiny folo (11) ihany koa no nangalarin'ny dahalo tao tanana antsoina hoe Analamiranga, fokontany Ambohimpihaonana, kaominina Tamponala, distrikan'ny Soavinandriana, ny alin'ny alarobia 05 jolay 2023. Notanterahana ny fikarohana ireo dahalo mpangalatra, izay hita tao @ kizo d'Ampasipotsy kaominina Maroharona, notanterahan'ireo miaramila sy ny zandary ary ny fokonolona sy ny zazamena (loha dia).
Nisy ny fifandonana mahery vaika tamin'ireo dahalo izay niseho tao Antsampanimahazo, fokontany Ampasipotsy, kaominina Maroharona, distrikan'ny Tsiroanomandidy, Faritra Itasy.
Olona enina (6) t@ ireo fokonolona nanampy no voatifitra, roa tamin'izy ireo dia voa mafy ary efa manaraka fitsaboana eny amin'ny CSBII d'Ambatolampikely. Omby miisa valo kosa no azo, ary dahalo mirongo fiadiana roa no voasambotra, izay noraisin'ny zandary atao fanadihadiana. Efa naverina tamin'ny tompony avokoa ireo omby ireo.

Fiaraha-miasa

Manentana hatrany ny mpitandro filaminana ny amin'ny fiaraha-miasa, dia ny fanomezam-baovao sy ny fanarahan-dia. Azon'ny rehetra atao tsara ny miantso an-tariby raha vao misy tranga mampiahiahy. Tsara ihany koa raha miray hina hatrany ireo mpiara-monina, indrindra fa amin'ireny tanàna somary mitokana ireny.

Lire la suite

Articles Similaires