• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Herinaratra – Branchement Mora : Misitraka izany i Fianarantsoa

10/07/2023 14:47 © Moov.Mg

Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’Afo sy ny Jirama ny fampisitrahana herinaratra ho an’ny tokatrano tsirairay avy, manerana ny Nosy.

Taorian’i Antananarivo dia anjaran’i Fianarantsoa indray izao no misitraka ny fametahana ny « Branchement Mora ». Anio 10 jolay ary no nanomboka ny firosoana amin’ny fampisitrahana ity tetikasa ity ho an’ny Fianarantsoa manokana.

Tonga ao Fianarantsoa ny Branchement Mora

Tonga nidina ifotony, nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny firosoana amin’ny fampisitrahana ny « branchement mora » ho an’ny mponina ao Fianarantsoa ny delegasiona solontenan’ny avy eo amin’ny ministera mpiahy, teo ihany koa ireo tompon’andraikitry ny tetikasa eo anivon’ny Jirama sy ireo olom-boafidy isan-tsokajiny.
Raha ho an’i Fianarantsoa manokana, dia tokatrano miisa 400 hatreto no efa nisoratra anarana ary efa niroso tamin’ny fandoavana ny saran’ny fametahana an’izany na ny « devis ». Marihana ihany koa fa mitotaly 5 400 no tokatrano vinavinaina hisitraka ny jiro amin’ny alàlan’ny branchement mora ho an’ny Fianarantsoa. Mifandraika tanteraka amin’ny velirano faha-2 nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina moa izao, izay miompana amin’ny fametrahana « Angovo ho an’ny daholobe ».

Tokatrano an’aliny maro no hisitraka ny tetikasa

Araka ny efa natsidika tetsy ambony dia Antananarivo no nanombohana ny fanatanterahana izany tetikasa Branchement mora izany. Tsy ela akory fa ny zoma lasa teo no nidina ifotony ary nitsidika ireo tokatrano mpisitraka teny Ambonilàlana Andohanimandroseza sy Tsiadana ny avy eo amin’ny ministera mpiahy. Tonga teny an-toerana nitafa tamin’ireo vahoaka ihany koa ny avy eo amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny AMO (Assistance à Maîtrise d’Ouvrage).
Tokatrano 1061 araka izany, no nametrahana ny branchement mora ho an’Antananarivo, hatreto. Tanjona napetraka manaraka indray ny hampisitrahana tokantrano miisa 5 000 raha toa ka 105 000 no tanjona ho an’ny renivohitr’i Madagasikara manokana. Branchement mora 300 000 isa kosa no vinavinaina hapetraka manerana an’i Madagasikara hatramin’ny faran’ny taona, hoy hatrany ny avy eo amin’ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo.
Na dia eo aza anefa ireo ezaka maro samihafa ataon’ny fanjakana amin’ny resaka fampisitrahana jiro ho an’ny vahoaka malagasy, dia tsapa sy hita fa mbola tsy voavaha ny olan’ny herinaratra. Mbola mitohy hatrany ireo fahatapahan-jiro amin’ny faritra maro manerana ny Nosy ka mampitaraina ny mpanjifa.

Lire la suite

Articles Similaires