• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Anjanahary : Mpangalatra môtô voasambotry ny pôlisy

10/07/2023 07:01 © Midi Madagasikara

Teo am-panosehana ilay môtô halatra mihitsy ity tovolahy iray 24 taona no tra-tehaky ny pôlisy manao fisafoana avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriboritany fahatelo, teny amin’iny faritra Anjanahary Andravoahangy iny, ny marain’ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any.

Anisan’ny mampirongatra ny asa ratsy ny fahamaizinana ateraky ny fahatahan-jiro, indrindra moa fa ilay amin’ny alina. Manararaotra avokoa ireo mpanao ratsy. Soa ihany, manamafy tanteraka ny fisafoana ireo faritra voalaza fa « mafana » ny pôlisy, ary miditra amin’ireo elakelan-trano isan-karazany mihitsy. Toy ity tranga tetsy Anjanahary ity. Tao anatin’izany fisafoana izany indrindra mantsy no nifanena tamina lehilahy iray manosika môtô izy ireo.

Toe-javatra mampiahiahy ihany, satria ny andro amin’ny iray ora maraina. Natonona avy hatrany ny lehilahy ary nosavaina. Hita tamin’izany fa « tsy misy fanalahidy ilay moto ary ilay taratarasy mahakasika ilay moto ihany koa dia tsy misoratra amin’ilay lehilahy » hoy ny fampitam-baovao azo. Niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana izy ireo ary nitondra ity olon-dratsy ity tany tamin’ny biraon’ny pôlisy ho amin’ny fanadihadiana azy. Nogiazana ihany koa ilay kodiaran-droa ary miandry ny tompony haka izany eny amin’ny kaomisaria. Misokatra avy hatrany ny fanadihadiana, hoy ny fampitam-baovao azo.

Lire la suite

Articles Similaires