• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov.Mg
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo tranga nisongadina ny herinandron'ny 3 jolay 2023

10/07/2023 00:34 © Moov.Mg

Mafana hatrany ny toe-draharaham-pirenena eo amin'ny sehatra politika. Samy manao izay ho afany ireo heverina ho kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ity taona 2023 ity. Tsy vitsy kosa nefa ireo tranga nanamarika ny herinandron'ny 3 jolay, na teo amin'ny ara-kolontsaina na ny ara-panatanjahan-tena. Tsy adino ihany koa ny finoana sy ny fampianarana.

Fitsinjaram-pahefana, fampandrosoana ny eny ifotony

Notanterahina teny amin'ny CCI Ivato ny Vovonam-pirenena mikasika ny Fitsinjaram-pahefana. Nisongadina tamin'izany ny filan-kevitra ny amin'ny nandraisana ny drafi-pirenana momba ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE).

Nomarihan'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fa ny fampandrosoana ifotony no antoky ny fampandrosoana ny firenena. Tena ilaina araka izany ireo fotodrafitrasa sy tetikasa manakaiky vahoaka sy ilain'ny besinimaro.


Copyright Image : © PRM

MAP Plus, Marc Ravalomanana

Andro vitsy taorian'ny nanambarany tamin'ny fomba ofisialy ny filatsahany indray ho kandida ho filoham-pirenena, mihamafy ny fitetezam-paritra ataon'i Marc Ravalomanana. Narosony tamin'ny herinandron'ny 03 jolay ireo teboka lehibe raketin'ny MAP Plus. Io tetikasa io dia fanohizana ny Madagasikara Am-Perinasa (MAP), izay efa fandaharan'asany fony izy teo amin'ny fitondrana, saingy nasiam-panavaozana mba hifanaraka amin'ny filàn'ny vahoaka.
I Mahajanga sy Marovoay no notsidihany ka nomarihany manokana tamin'izany ny fanomezan-danja ny vary, ny omby ary ny jono.


Copyright Image : © Marc Ravalomanana

Hery Rajaonarimampianina, efa eto an-tanindrazana

Efa tafaverina soa aman-tsara eto Madagasikara ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina rehefa nihazo an'i Lafrantsa noho ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy niarahana tamin'ny Diaspora. Ny faran'ny herinandro teo, nitsidika ireo mponin'Avaradrano ny tenany. Namory vahoaka teny Ambodisiarivo , Kaominina Ambohimanga Rova sy teny Ambohidrano Andrefana, Kaominina Sabotsy Namehana ny tenany.


Copyright Image : © HR2023

Siteny Randrianasoloniaiko, miombon-kevitra amin'i Andry Rajoelina

Mitombo hatrany ireo namana mpanao politika manatevin-daharana ny hetsika MIHAVA TOUR, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko tao amin'ny pejiny. Ho azy manokana, mbola tsy misy ny fitsinjaram-pahefana na ny décentralisation. Na izany aza, miombon-kevitra amin'ny filoha Rajoelina izy tamin'ity indray mitoraka ity satria nanaiky fa ny fitsinjaram-pahefana miabo no antoky ny fampandrosoana an'i Madagasikara.
Tsiahivina ihany koa fa nandray ny tso-drano ara-pomba Malagasy tany amin'ny Faritra Boeny i Siteny Randrianasoloniaiko.


Copyright Image : © Siteny Randrianasoloniaiko

Fiverenan'ny Ankoay eto Madagasikara

Noraisina tamin'ny fomba manetriketrika teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny ekipam-pirenena Malagasy Ankoay. Avy niatrika ny fifaninanana "Coupe du Monde FIBA U19" tany Hongrie moa izy ireo. Na dia teo aza ny faharesen'i Madagasikara, azo lazaina fa dingana lehibe ny nandraisana anjara tamin'izany lalao izany. Maro ihany koa ireo lesona voaray na ho an'ny mpanazatra, na ho an'ireo Staff technique, na ho an'ireo mpilalao. Nahazo fankaherezana izy ireo mba hahafahany miatrika indray ny lalaon'ny Nosy izay ho tontosaina eto Madagasikara afaka volana vitsy.
Tsy nanadino ny Ankoay ny Telma Madagascar. Nisy ny lanonana manokana nandraisana sy nisaorana ny ekipam-pirenena noho ny ezaka vita tany Hongrie.


Copyright Image : © ADN Telma

Fanamboaran-dalana, fiomanana amin'ny fandraisana ny JIOI 2023

Ao anatin'ny fanomanana tanteraka ny fandraisana ny Jeux des Iles 2023 i madagasikara. Izany indrindra no nametrahana ny tanjona "Zéro Nid de Poule". Asiam-panamboarana farak'izay haingana araka izany ny lalana eto Antananarivo Renivohitra sy ireo lalam-pirenena RN2, RN4, RN6, RN7, RN9, R11 ary RN14. Noraisina tamin'ny filan-kevitry ny Minisitra teny amin'ny lapam-panjakana Ambohitsirohitra, tamin'ny zoma lasa teo, izany fanapahan-kevitra izany.


Copyright Image : © MTP

Tsingerintaona faha-14n'ny Seranantsambo Ehoala

Nankalazaina ny sabotsy 8 jolay lasa teo ny fahatsiarovana ny tsingerintaonan'ny "Port Ehoala" izay ao Taolagnaro, Fort-Dauphin. Ity seranantsambo lehibe ity dia varavaran'izao tontolo izao miditra eto Madagasikara, avy any amin'ny faritra atsimon'ny Nosy. Mamelona olona maro ity toerana ity, satria tsy vitsy ireo mponina any an-toerana no miasa ao, na lahy na vavy. Efa misy mpamatsy vola vitsivitsy miasa ihany koa ao amin'ny faritry ny seranantsambo.


Copyright Image : © QMM

Fankasitrahana ny Monseigneur Odon Razanakolona

Vory lanona teny Soamandrakizay ny mpino katolika ny marainan'ny Alahady 9 jolay 2023. Fotoana nifanomezana moa ny an'ny Fiangonana, nahafahana nankasitraka ny Monseigneur Odon Marie Arsène Razanakolona. Izy moa dia nitantana ny Diosen'Antananarivo nandritra ny 17 taona, izany hoe nanomboka tamin'ny desambra 2005. Tonga nisolo tena ny fitondram-panjakana teny Soamandrakizay Ramatoa Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina sy ny sekretera misahana ny tanàna vaovao.


Copyright Image : © IsikaTGV

Fanja Andriamanantena, 60 taona an-tsehatra

Nanamarika ny tolakandron'ny Alahady 9 jolay ny fankalazana ny faha-60 taona nihirana sy namoronan'i Fanja Andriamanantena. Fampisehoana miavaka no natolony teny amin'ny CC Esca Antanimena. Nanotrona azy tamin'izany ireo mpihira fanta-daza toa an'i Lalie, Mahery, Monika Njava. Efa nody ny masoandro vao nisaraka tamin'i Fanja Andriamanantena ireo mpankafy azy.


Copyright Image : © Moov.mg

BEPC, voka-panadinana tao anatin'ny fotoana fohy

Isan-taona dia miandry roa herinandro teo ho eo vao nisitraka voka-panadinana ireo mpanala BEPC. Tamin'ity taona ity dia haingana kokoa ny fitsarana sy ny fanambarana naoty. Tsiahivina nefa fa ny alakamisy 6 jolay vao nifarana ny fanadinana.
Ny tolakandron'ny sabotsy 8 jolay dia efa nanomboka nampahafantatra ny vokatra ny teo anivon'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena. Ny tany Iakora no nisitraka ny valim-panadinana voalohany. Andrasana ny alatsinainy 10 jolay kosa ny vokatra ho an'ireo mpiadina BEPC 2023 eto Analamanga sy ny manodidina.


Copyright Image : © Zo Ny Aina

Lire la suite

Articles Similaires