• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

WWF : 60 taona teto Madagasikara

07/07/2023 23:52 © Midi Madagasikara

Nankalazaina androany 07 jolay 2023 ny tsingerintaonan'ny WWF eto Madagasikara. Ny taona 1963 no nanomboka tetikasa fiarovana ny tontolo iainana voalohany teto ny WWF ary nitohy hatramin’izao taona 2023 izao izany.

Raha ny eto Madagasikara manokana, maro ireo seha-pihariana izay ivelaran'ny WWF : fiarovana ny harena voajanahary an-tanety sy an-dranomasina, fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala, ady amin’ny kolikoly sy ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena voajanahary, fandrosoana lovainjafy ary ny fanabeazana sy ny serasera ara-tontolo iainana

Lanonam-pifaliana no nanamarihana ny androany, teo ambany fitarihan’dRamatoa Minisitra VINA Marie-Orléa sy Ramatoa RATSIFANDRIHAMANANA Nanie, Talen'ny WWF eto Madagasikara. Azo lazaina fa tratra ny tanjona napetraky ny Ministera, tao anatin'izay 60 taona izao.

Fiaraha-miasa mahomby

Nahitam-bokany lehibe eo amin’ny fiarovana sy ny fanarenana ny tontolo iainana ny fiaraha-miasa niarahana tamin’ny WWF Madagascar ho Ramatoa Minisitra ary nampisongadina ny fisitrahan’ny mponina eny ifotony ny tombotsoa azo avy amin’ny fiarovana ny harena voajanahary. Maro ny sehatra naira-niasa akaiky taminy : Minisitera, Fikambanana Vondron’olona ifotony maherin’ny 200, Firaisamonim-pirenena 100, Fikambanam-behivavy sy tanora maro, mpikaroka, orinasa,…
Miisa 4 ny toerana iasan’ny WWF : Paysage terrestre et marin Manambolo – Tsiribihina, Paysage marin de DIANA, Paysage terrestre et marin Mahafaly ary ny Paysage terrestre des Hautes terres du Nord.

Lire la suite

Articles Similaires