• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Toliara – làlana : Mandroso araka ny tokony ho izy ny asa

07/07/2023 17:02 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dàlana izay tanterahan’ny avy eo amin’ny ministeran’ny Asa Vaventy.

Anisan’ireo renivohitra nanatanterahana asa fanamboaran-dàlana ny ao Toliara.

Atsasaky ny asa no vita hatreto

Tafiditra ao anatin’izany asa izany ny fanarenana sy ny fanatsarana izay tanterahan’ny ministeran’ny Asa Vaventy eny amin’ireo làlana ao antampon-tanànan’i Toliara. Raha tsiahivina dia ny volana jona lasa teo no nanombohan’ny asa. Ampahan-dàlana miisa 12 ao antampon-tànan’i Toliara araka izany no voakasik’izao asa izao. Mitotaly 6,600 km ny halavan’izany làlana izany.
Araka ny vinavina izay anataon’ny orinasa CRCC dia tokony ho vita amin’ity taona ity ireo asa ireo. Miroso araka ny tokony ho izy ny asa, ankehitriny, satria tombanana eo amin’ny 42% eo ny tahan’ny fandrosoan’izany tetik’asa fanatsarana sy fanavaozana ireo làlana ireo. Ankehitriny dia efa mandeha ihany koa ny fametrahana làlana ho an’ny mpandeha an-tongotra na trottoirs.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PIC2 moa izao asa tanterahana ao andrenivohitr’i Toliara izao. Ny banky iraisam-pirenena no mpamatsy vola azy.

Asa fanampiny

Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra tamin’ity herinandro ity fa hisy ampahany asa hafa fanampiny izay hirosoana. Ankoatra ireo asa fanamboarana ampahany izay efa mandeha amin’izao fotoana izao dia ho rasin’ny fanjakana an-tànana ny famatsiam-bola ireo asa fanampiny ireo.
Tafiditra ao anatin’izany asa fanampiny izany ohatra ny fanamboarana ny ampahan-dàlana amin’ny RN2, ny RN 4, ny RN6, RN7 ny RN9, ny RN 11, ary ny RN14. Raha ny làlana eto Antananarivo Renivohitra kosa no resahana dia efa misy asa fanamboarana mandeha. Misy ampahan-dàlana miisa 11 ihany ko no nahazo fankatoavana avy amin’ny filan-kevitry ny ministra ny fanamboarana azy. Raha jerena dia mampikaikaika ny rehetra ny haratsy ny làlana, izay sady manimba fiara no miteraka fitohanana. Inoana fa hitondra voka-tsoa ho an’ny mpampiasa làlana ireo asa fanampiny izay ho tanterahana ireo.

Lire la suite

Articles Similaires