• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Skispass
Image
Vaovao

BEPC : Laza adina efa vita valiny tao anaty finday

07/07/2023 09:55 © Midi Madagasikara

Efa vita tanteraka fa adika fotsiny sisa. Izay ko sarona tao anaty findain’ny mpianatra iray tao amin’ny efitrano fanadinana tao amin’ny CEG iray tao Ambilobe.

Nampiahiahy ny mpanara-maso ny fihetsiny ary nosavaina avy hatrany rehefa tratra nampiasa finday. Rehefa nosavaina ny tao anatin’ilay fitaovam-pifandraisana dia hita tao ny laza adina efa misy valiny iray manontolo. Navoaka ny efitrano fanadinana avy hatrany ilay mpiadina ary nanokafana fanadihadiana momba ny niavian’ilay valim-panadinana. Mbola ao anatin’ny fikarohana tanteraka ny mpitandro ny filaminana.

Avy aiza ny laza adina ary iza no nanome ny valin’izany? Izy ity mantsy dia tsy fisolokiana toa izay nitranga teto Antananarivo intsony ka naha-voasambotra olona efatra fa kosa laza adina tena izy no efa vita rafitra ny valiny. Vao any amin’ny Bepc dia efa misy sahady ny tranga izay miendrika kolikoly mamotika mpianatra toa izao. Mila fandraisana andraikitra matotra satria manimba ny hoavin’ny mpianatra.

Lire la suite

Articles Similaires