• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Journal_Des_Femmes
Image
Vaovao

Fanabeazana aizana : Hampitomboana ny teti-bola natokana ho amin’izany

06/07/2023 15:31 © Moov.Mg

Tapaka nandritra ny filan-kevitry ny ministra, ny 05 jolay, fa hampitomboana ny teti-bola natokana ho amin’ny fanabeazana aizana natokana ho an’ireo vehivavy manerana ny Nosy.

Tanjona amin’ny fandraisana izany fanapahan-kevitra izany ny hanamorana ny fividianana fanafody sy kojakoja natokana ho amin’ny fanabeazana aizana.

Fikitihana ny teti-bolan’ny ministera

Hisy ny fikitihana ny teti-bola anatin’ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Raha ny marimarina kokoa dia ho ampiasaina amin’ny fividianana fanafody sy kojakoja fanabeazana aizana izay haparitaka amin’ny hopitalim-panjakana amin’ity taona 2023 ity, io ampaham-bola io.
Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny fanjakana sy ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana UNFPA moa ity fandaharanasa miompana amin’ny fanabeazana aizana ity. Izao no atao dia ny mba hanatsarana ny fampiroboroboana ny fahasalaman’ny vehivavy.

Fampiroboroboana ny fahasalaman’ny vehivavy

Vehivavy sy renim-pianakaviana miisa 3 496 701 izay efa mampiasa ny fandrindram-piterahana no hahazo tombotsoa amin’izao fikitiana ny teti-bola anatin’ny ministera izao. Hisitraka fanafody sy kojakoja mahakasika ny fanabeazana aiza izy ireo.
Tsy ireo efa mpisitraka ny fanabeazana aizana ihany anefa no ho voakasik’izany teti-bola izany, fa eo ihany koa ireo mpisitraka vaovao miisa 1 700 000 manerana ny Nosy. Tanjon’ny UNFPA sy ny fanjakana mahefa tokoa ny hampisitrahana ny fanabeazana aizana an’ireo vehivavy sy renim-pianakaviana malagasy rehetra. Ankoatra ny fandrindram-piterahana dia fomba iray hahafahana mijery akaiky ny fahasalaman’ireo vehivavy sy reni-mpianakaviana izany.
Zava-dehibe ho an’ny firenena eo an-dàlam-pandrosoana toa an’i Madagasikara ny fahafahan’ny vehivavy misitraka ny fanabeazana aizana. Fomba iray hahafahana manome fahafahana ho azy ireo misafidy ny fotoana tiany hitondrana vohoka ohatra izany, ary manampy azy amin’ny fiainana arak’asa ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires