• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm Fce Ravinala.Jpg
Image
Vaovao

FCE – Fialan-tsasatra : Fotoana hampiroboroboana ny zotra

05/07/2023 16:22 © Moov.Mg

Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra isika ankehitriny. Maro ireo fianakaviana misafidy ny hiala sasatra any amoron-tsiraka.

Fotoana mety hampiroboroboana ny zotran-dàlamby FCE ny vanim-potoana toa izao. Fantaro ary fa tolotra maro isan-karazany no aroso ho an’ireo izay maniry ny handeha amin’izany zotra izany.

Gara 18 no andalovan’ny zotra FCE

Fotoana iray hahafahan’ny mpianakavy miara-miala voly tokoa ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra toa izao. Anisan’ny fotoana iray hahafahan’ny rehetra iarahana ny fandehanana zotran-dàlamby toa ity FCE ity. Tsiahivina moa fa fa ny volana jona lasa teo no nanomboka niverina indray ny tity zotra ity izay mampitohy an’i Fianarantsoa sy Manakara. Efa azo ny rehetra atao ny misitraka azy araka izany.
Fantatra ary fa gara 18 no andalovan’ity zotra ity, izay misy an’i Fianarantsoa, Vohimasina, Sahambavy, Ampitambe, Ranomena, Andrambovato, Madiorano, Tolongoina, Amboanjobe, Manampatrana, Ionilahy, Mahabako, Fenomby, Sahasinaka, Antsaka, Mizilo, Ambila ary Manakara.
Mizara 4 ny zotra. Ny voalohany dia mampitohy an’i Fianarantsoa – Vohimasina – Andrambovato (50 km). Ny faharoa dia mampitohy an’i Fianarantsoa – Madiorano – Ionilahy (50 km – 100 km). Ny fahatelo indray dia mampifandray an’i Fianarantsoa – Mahabako – Mizilo (100 km – 150 km). Ny fahaefatra farany dia mampitohy an’i Fianarantsoa – Manakara (150 km – 200 km).

Ireo karazana saran-dàlana

Ho an’ireo izay mikasa ny handray ity zotran-dàlamby ity dia fantaro ireo karazana saran-dàlana afaka isafidianana.

Train express

Zone 1 : 12 500 ariary
Zone 2 : 20 000 ariary
Zone 3 : 30 000 ariary
Zone 4 : 35 000 ariary

Train mixte (mitatitra olona sy entana)

Ho an’ny 1ère classe :
Zone 1 : 12 500 ariary
Zone 2 : 20 000 ariary
Zone 3 : 30 000 ariary
Zone 4 : 40 000 ariary
Ho an’ny 2ème classe :
Zone 1 : 8 500 ariary
Zone 2 : 13 000 ariary
Zone 3 : 20 000 ariary
Zone 4 : 30 000 ariary
Mahakasika ny saran’ny fitondrana entana kosa dia 125 ariary/kg izany ho an’ny Zone 1, 250 ariary/kg hoan’ny zone 2, 375 ariary/kg ho an’ny zone 3 ary 500 ariary/kg ho an’ny zone 4.
Hitondra vokatsoa ho an’ny sehatry ny fizahan-tany izao fisokafan’ny zotra an-dàlamby izao. Toerana maro tokoa no afaka ho tsidihan’ireo mpandeha noho ny fisian’ireo gara 18 izay afaka hijanonan’ny fiarandalamby. Olona maherin’ny 200 000 no hahazo tombony. Miankina tanteraka amin’ny fisian’ity zotra ity ny fiainan’ireo olona maherin’ny 200 000 no hahazo tombony manokana. Kaomina 13 ihany koa no lalovany, ary misy amin’ireo no mitokamonina tanteraka.
Zava-dehibe ho an’ny faritra andalovan’ny zotra ny fisian’ireo mpizahatany malagasy sy vahiny. Antenaina ary ny fahatongavan’ireo mpizahatany amin’izao fotoanan’ny fialan-tsasatra izao.

Lire la suite

Articles Similaires