• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bbc
Image
Vaovao

Lavanila : Hisokatra tsy ho ela ny taom-pamarotana 2023 – 2024

04/07/2023 17:52 © Moov.Mg

Tsy ho ela intsony dia hisokatra ny taom-pamarotana lavanila maitso ho an’ireo faritra mpamokatra manerana ny Nosy.

Fantatra nandritra ny fivoriana niarahan’ny teknisianina sy ny mpamboly ary ny mpandraharaha mpisehatra amin’ny lavanila, fa afaka iray volana eo ho eo dia hanomboka ny taom-pamarotana lavanila maitso. Nodinihina nandritra io fihaonana io ny daty mety hisokafan’ny tsenan-davanila maitso ho an’ny faritra SAVA. Nandray anjara mavitrika tamin’izany fivoriana izany ny Ben’ny tanàna, ny mpamboly, ny mpanangom-bokatra, ny mpanondrana lavanila, ny tompon’andraikitra avy eo amin’ny faritra, ny prefektiora, ny DRAE, ny DRICC, ary ny CRV.
Taorian’ny tombana nataon’ny teo anivon’ny sampandraharaha Fambolena dia naroso ny tolo-kevitra momba ny vaninandro hanombohana ny taom-piotaozana sy fivarotana ny lavanila maitso ireo mpizaika. Fatatra araka izany fa « Ho an’ny faritra manamorona ny rano dia ny 07 Aogositra 2023 no hisokafan’izay tsena-davanila maitso izay, raha ny 21 Aogositra 2023 kosa ho an’ny any amin’ny faritra anelanelany. Ny 17 Septambra 2023 ho an’ny faritra be tendrombohitra. Matoy hatrany amin’ny 46,6% mantsy ny lavanila amin’izany. »
Efa miomana amin’ny fihatrehana izany taom-pamarotana 2023 – 2024 izany ny faritra Fitovinany ankehitriny. Nisy ihany koa ny fampiofanana momba ny tsena voaara-maso sy ny fitantanana, izay nisitrahan’ireo Ben’ny tanànan’ny faritra, ny zoma lasa teo. Notolorana fitaovam-pandanjana voamarin’ny SML, izay tokony ho ampiasaina mandritra ny taom-pamarotana ihany koa ny faritra nandritra izany.

Lire la suite

Articles Similaires