• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

RNT33b : Ho vita amin’ny herin’andro ambony ny asa

04/07/2023 16:39 © Moov.Mg

Miroso hatrany amin’ny fanatanterahana ny asa fanamboarana sy fanatsarana ireo làlam-pirenena manerana ny Nosy, ny eo anivon’ny ministeran’ny Asa vaventy.

Tafiditra ao anatin’izany asa izany ny fanarenana ny làlam-pirenena RNT33b izay mampitohy an’Andranofasika sy Ambatoboeny. Heverina ho vita amin’ny herinandro ho avy io ny asa fandrakofana tara iny làlana iny.

Mandroso ny asa fanamboarana

Miroso araka ny tokony ho izy, ary heverina ho vita afaka andro vitsivitsy ny asa fanamboarana ny RNT33b. Vinavinaina ho vita ny herinandro ho avy io ny fandrakofana tara ny ampahan-dàlana eo anelanelan’i Belalitra sy Ankijabe raha ny fizotry ny asa no jerena. Mirefy eo amin’ny 1,200 km eo ity ampahan-dàlana ity izay simba tanteraka tao aorian’ny fandalovan’ny rivodoza.
Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanohizana ny asa, araka izany, ny orinasa ECH BTP, izay orinasa voafidy hiandraikitra io asa fanamboaran-dàlana io. Nisy tokoa manko ny fihatoan’ny asa nandritra ny vanim-potoanan’ny orana.

Maro ireo asa mbola ho tanterahana

Maro ireo asa fanamboarana sy fanarenana izay mbola an-dàlam-panatanterahana ankehitry. Ao anatin’izany ohatra ny RN6, koa mizara telo mazava ny asa. Mampitohy an’Ambanja sy Ambilobe ary Ambilobe sy Antsiranana ny ampahany roa voalohany ary vatsian’ny « Banque européenne d’investissement » vola izany. Anisan’ireo nahitana fahasimbana ihany koa moa ny RN6 taorin’ny fandalovan’ny rivo-doza. Ny ampahany fahatelo kosa dia mampitohy an’Ambondromamy sy Ambanja izay vatsian’ny banky iraisam-pirenena vola.
Eo an-dàlam-panamboarana ihany koa ohatra ny RNS 5 (Soanierana Ivongo – Vahibe) sy ny RNS 44 (Marovoay – Vodiala – Ambatondrazaka). Ao ihany koa ireo asa izay hatomboka tsy ho ela. Azo lazaina ho mandroso araka ny tokony ho izy, amin’ny ankapobeny ireo asa fanamboarana-dàlana manerana ny Nosy. Mbola betsaka ihany koa anefa ireo asa miandry mba hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny fitondrana ireo entana.

Lire la suite

Articles Similaires