• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Andry Rajoelina : Ny fampandrosoana ifotony no lakilen’ny ady amin’ny fahantrana

04/07/2023 11:41 © Moov.Mg

Nanambara marimarina ny filoham-pirenena Andry Rajoelina tsy mitsahatra ny amin’ny ady amin’ny fahantrana eto Madagasikara. Noporofoiny tamin’ny fitanisana ireo asa vitany ny fandrosoana efa hita taratra, nandritra ny lahateniny androany talata 4 jolay, teny amin’ny CCI Ivato.

Plan National de Décentralisation Émergente (PNDE)

Tontosaina mandritra ny roa andro etsy Ivato ny vovonam-pirenena mikasika ny fampiharana ny drafi-pirenana momba ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE) . Fakan-kevitra sy ny fandravonana ny drafitra ofisialy no tanterahina amin'izany.
Araka ny nambaran'ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana, Justin Tokely, antoka iray anatratrarana ny tanjona amin'ny Velirano faha-12 no tena tanjona, dia ny fampizakan-tena sy ny fampandraisana andraikitra ny eny anivon'ny faritra, distrika ary kaominina. Tsy adino ireo fokontany. Manana teti-bola manokana ireo rafitra ireo ahafahana mamaly ny hetahetan'ny vahoaka eny ifotony.

Fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka

Nandritra ny fitondrana notarihin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina no nisitrahan'i Madagasikara fotodrafitrasa maro : sekoly, hopitaly, birao, tribonaly, fonja, sns. Ny birao vaovaon'ny kaominina izao dia miisa 43 no natsangana na nasiam-panavaozana. Miisa 2 874 kosa ireo fotodrafitrasa niaraha-niasa tamin'ny FDL.

Tsy vitsy ihany koa ireo ezaka efa tontosa mikasika ny fitsinjaram-pahefana :
-Fametrahana ireo governora amin’ny faritra 23, niaraka tamin’ny famatsiam-bola 2 miliara ariary
-Fanomezana « engins » anamboaran-dalana
-Fampitomboana ny vola eny anivon’ny faritra (420 millions ariary raha 210 millions ariary teo aloha) sy eny amin’ny kaominina (30 millions ariary raha 15 millions ariary teo aloha)
-Fanomezana 4x4 ho an’ny chef district / moto ireo ben’ny tanana
Birao Manara-penitra ho an’ny prefektiora sy ny kaominina
-Fampiakarana ny tambin-karaman’ny sefo fokontany : 60.000 ariary raha 20.000 ariary teo aloha


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires