• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fambolen-kazo : 90% ny tanjona napetraka no tratra

04/07/2023 11:38 © Moov.Mg

Notontosaina ny 03 jolay ny fivoarian’ny « Comité des Directeurs Régionaux » eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy.

Notanterahana nandritra ny fihaonana, izay notarihin’ny ministra Vina Marie-Orléa, ny jeri-todika mahakasika zay enim-bolana lasa izay, fa ihany koa ireo ezaka mbola mila tratrarina mandritra ny enim-bolana manaraka.

Tsara ny vokatra

Noresahana sy nojerena akaiky nandritra io fivoriana io, ireo asa vita tao anatin’izay enim-bolana voalohany izay. Niroso tamin’ny fanaovana tombana izay asa efa notanterahana araka izany izy ireo. Teboka maro no nojerena tamin’izany.
Nivoitra tamin’izany fa 90% ny tanjona napetraka ho amin’ity taom-pambolen-kazo 2023 ity no efa tratra ankehitriny. Izany hoe 68 000 ha amin’ireo velaran-tany 75 000 ha no efa voavoly hazo. Azo lazaina fa tsara dia tsara tokoa ny firosoan’ny asa fanatratrarana ny tanjona izay miompana amin’ny fanamaitsoana an’i Madagasikara, araka izany.
Tanterahana mandritra ity taona ity ihany koa, ny fametrahana tanin-janakazo midadasika eny anivon’ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Ankoatra izay dia hisy ny fambolen-kazo ho atao amin’ny velaran-tany mirefy 15 ha isaky ny distrika.

Mitohy ny fanatratrarana ny tanjona

Mba hahafahana miaro ireo hazo novolena sy izay mbola hovolena dia manamafy hatrany ny fanaraha-maso ny fiarovana azy ireny ny ministera. Ankoatra izay dia misy ihany koa ny fanamafisana ny ady amin’ny doro tanety sy ny doro ala, izay narahana fampitaovana ireo Ben’ny ala. Izao no atao dia ny mba hahafahan’ireto farany miomana amin’ny mety hisian’ny loza sy miatrika izany.
Tanjon’ny ministera ihany koa ny hanamafisana ny ady amin’ny fitrandrahana an-tsokosoko ny harena voajanahary. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny fiarovana ireo sokatra izay maro mpanondrana tokoa tato ato. Vao tsy ela tokoa izay no nahatratrarana malagasy telo sy Israelianina iray nikasa ny hivarotra sokatra sy hanondrana sokatra antsokosoko.
Tanjona lehibe napetraky ny ministera ny fampihodinana ireo ivon-toerana fanodinana fako miisa telo amin’ity taona ity. Anisany mitarika amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana tokoa ny fiparitahan’ireo fako etsy sy eroa, fa indrindra ny fampiasana ny akora plastika. Rariny raha atao laharam-pahamehana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny zava-boahary eo aminy.

Lire la suite

Articles Similaires