• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Gn
Image
Vaovao

RN7 : Taxi-brousse maromaro voatora-bato

04/07/2023 06:32 © Midi Madagasikara

Iray tamin’ireo fiara no tena voa mafy, raha potika tanteraka ny fitaratra taorian’ny sofera ary vaky ny parebrise.

Nahitàna diam-bato kosa ny an’ny sasany. Nisy ihany koa iray tamin’ireo mpandeha no naratra, araka ny fitantaran’ny mpamily. Tranga niseho ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo tamin’ny lalam-pirenena fahafito iny, niala kilaometatra vitsy monja an’Antsirabe. Fiara mpitatitra mampitohy ny distrikan’i Mandoto amin’ny renivohitra ireto niharan’ny tora-baton’olon-dratsy ireto, tamin’io fotoana io. Tokony ho tamin’ny misasakalina mahery kely tany ho any no nitrangany, teo amin’ny toerana antsoina hoe « Ambil », anelanelan’Andranomanelatra sy Antanifotsy.

« Somary fiolanana be io lalana io ary ratsy ny lalana. Voatery nandeha mora izahay ka tamin’izany no nisian’ny tora-bato nandrivorivo nihatra tamin’ny fiara » hoy ny fitantaran’ity mpamily iray, « tête de ligne » na ilay fiara voalohany amin’ny tandahatra fiara nihazo io lalana io handeha hiakatra aty an-drenivohitra. « Ankevitry ny mpamily mihitsy no nokendren’ireo olon-dratsy, hoy indray ity mpamily fiara faharoa. Rehefa tsy nahavoa an’io voalohany io mantsy izy dia izahay indray no sendra. Somary efa lasa aloha kely aho no nidoboka mafy be ny fitaratra taorianako. Vaky tanteraka ary ny potipotik’ireo no nandratra ilay mpandeha teo. Tsy vitan’izay fa mbola nisy iray hafa ihany koa niantefa tamin’ny parebrise-ko ». Fiara telo tafiaraka no voalazan’ireto mpamily ireo fa niharan’io tora-bato io ary taorian’izy ireo dia nisy kamiao sy fiara tsy mataho-dalana iray. Somary niteraka fitohana kely tamin’iny lalam-pirenena iny moa ity toe-javatra ity, ary nampivarahontsana ireo mpandeha rehetra, na ny handeha hiakatra na ireo handeha hidina. Tamin’io fotoana io ihany moa efa nampandrenesina ireo mpitandro filaminana misahana iny faritra iny ary nidina avy hatrany teny an-toerana ary nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha. Efa eo am-pikarohana ireo izay mety ho nahavanon-doza izy ireo. Ireo fiara tra-doza kosa, tody soa aman-tsara tetsy amin’ny Fasan-karana ihany, rehefa nasaina niara-dalàna sy tsy nisaratsaraka intsony.

Ilay tena voa mafy aza, efa nivonona ny handeha hiverina indray tamin’ny fotoana nahatongavanay teny. Ilay naratra kosa efa nahazo fitsaboana, raha ny angom-baovao azo.

Lire la suite

Articles Similaires