• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

CEPE 2023 - Faritra Melaky : Lainiriko Victorien, nahazo ny salan'isa 19,45/20

04/07/2023 06:10 © Moov.Mg

CEPE 2023 : Lainiriko Victorien Michel Mbozokiny no mpiadina nahazo ny salan’isa ambony indrindra 19,45/20, tany amin’ny Faritr’i Melaky.

Vao 10 taona monja i Lainiriko Victorien Michel Mbozokiny. Mpianatra mendrika sy mahay hatramin'ny fahakeliny izy. Nanao ezaka goavana nefa izy tamin'ny fanadinana CEPE farany teo ka izao nahazoany ny salan'isa 19,45/20 izao. Mpianatry ny sekoly « Les Petits Anges » ao Maintirano moa ny tenany.

Valisoa hafakely

Noentin’ny Minisitry ny Asa Vaventy, Kolonely ANDRIANATREHINA Ndriamihaja Livah, fiaramadinina ity mpianatra mendrika na « lauréat » ity rehefa izy avy nanokatra ny herinandron’ny Karatany tany an-toerana ka hitodi-doha hiverina eto Antananarivo, ny sabotsy 1 jolay maraina.
Sidina voalohany ho an’i Victorien izao niakarany eto andrenivohitra izao ka faly sy velom-pankasitrahana an’Andriamatoa Minisitra ny tovolahy. Fianakaviany no nitsena azy sy nivantanany teto Antananarivo. Nitsidika toerana manan-tantara samihafa izy, anisan’izany ny valan-javaboaharin’i Tsimbazaza, ankoatran’ny fotoana niarahany tamin’ny fianakaviana. Hihazo an’i Morondava ny tovolahy ny alarobia izao, hamonjy ny renibeny sy hiala sasatra.

Lire la suite

Articles Similaires