• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

Fanadinana BEPC : Akon’ny andro voalohany

03/07/2023 17:50 © Moov.Mg

Nanomboka androany 03 jolay, ary tsy hifarana raha tsy ny 06 jolay ny fanadinana BEPC ho an’ireo kilasy faha-sivy manerana ny Nosy.

Niatrika fanadinana BEPC manomboka androany ireo kilasy famaranana amin’ny ambaratonga voalohany androany. Raha ny tamin’ity andro voalohany ity no jerena dia azo lazaiza ho nizotra ampilaminana izany.

Tsy nisy loatra ny fanotaniana tsy nampoizina

Tamin’ny androany dia ny Malagasy « Fanotaniana efa saika hita tany ampianarana avokoa no hita tany anaty laza-adina androany » hoy ireo ankizy mpanala fanadinana nanotaniana. Na izany aza dia nisy ihany ireo fanotaniana tsy tafiditra tany anatin’ny programam-pampianarana narahan’ny ankizy sasany. « Resaka famorana izao tsy mbola nataonay tany ampianarana », hoy kosa i Sitraka, mpanala fanadinana BEPC tao amin’ny Lycée Jules Ferry Faravohitra.
Malagasy ny maraina ary SVT ny hariva, ireo no taranja nanadinana ny ankizy androany. Ho an’ny rahampitso kosa dia hiatrika ny Mathématiques sy ny Français ireo mpianatra. « Androany aloha no atrehina dia hita eo indray ny rahampitso. Mila mifantoka tsara mba tsy ho very izay efa nianarana. » hoy indray i Tahiana.

Tranga hafa kely

Natao ho an’ny rehetra tokoa ny fanadinana ara-panjakana toa izao. Tany Morondava izao dia nahitana mpiadina iray manana olana ara-pahitana, niatrika izany ny fanadinana BEPC. Nomena toerana manokana nahafahana niatrika izany ampilaminana moa izy. "47 amin’ireo mpiadina no mila fanomanana manokana mba hahafahany misitraka ny zony feno amin’ny fiatrehana ny fanadinana.", hoy ny avy eo amin'ny ministeran'ny Fanabeazam-pirenena.
Fantatra ihany koa fa 70 taona no zokiny indrindra amin’ireo mpiadina. Raha tsiahivina dia vao nanala fanadinana CEPE ny 20 jona teo ity mpiadina ity, ary amin’izao izy dia mihatrika ny fanadinana BEPC indray. 07 taona kosa no zandriny indrindra ary anisan’ireo mpiadina eto amin’ny faritra Analamanga izy.
Anisan’ny tranga hafakely hita nandritra ity andro voalohany amin’ny fanadinana BEPC ity ihany koa ny fizarana tohan’aina ho an’ireo mpiadina. Hetsika notanterahan’ny avy eo amin’ny polisim-pirenena izy ity, koa ireo ankizy tsy afaka nody atoandro hita teny amin’ny manodidina ny ministeran’ny Filaminam-bahoaka no nisitraka izany. Teo ihany koa ny orinasa mahaleo-teona iray misehatra amin’ny fanofana Taxi-moto, nanolotena hanatitra mamaim-poana ireo ankizy mpanala fanadinana sy ireo mpanatitra sakafo.


Copyright Image : © Polisim-pirenena

Lire la suite

Articles Similaires