• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Vaovao

Fanadinana BEP : Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy

03/07/2023 16:11 © Moov.Mg

Androany alatsinainy 03 jolay no nosakafana tamin’ny fomba ofisialy ny fisokafan’ny fanadinana BEP na Brevet d’Etudes Professionnelles. Androany ihany koa no nanomboka ny fiatrehana ny BEPC ho an’ireo nisafidy ny fampianarana ankapobeny.

Fanadinana ara-panjakana ho an’ny mpiadina manerana ny Nosy

Tsy dia mahazatra firy ny sofina ny maheno izany fanadinana BEP izany. Raha fintinina dia fanadinana ara-panjakana natokana ho an’ireo nisafidy ny làlam-pianarana mifototra amin’ny fanofanana arak’asa izy io. Mpiadina miisa hatrany amin’ny 10 384 manerana ny Nosy araka izany no miatrika ity fanadinana ity ankehitriny. Ireto farany dia notsinjaraina amina foibe-panadinana miisa 88.
Tsara ny manamarika fa maro ireo fanadinana ara-panjakana hita ao anatin’ity sampam-pianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ity. Tsy ela akory fa ny alakamisy lasa teo ohatra no nanomboka ny fifaninanana hidirana amin’ny taona voalohany eny amin’ny lisea teknika.

Miantso ny mpiadina ho tony sy hifantoka ny ministra

Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fanadinana BEP tetsy amin’ny LTPGC Mahamasina androany ny ministry Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’Asa (METFP), Vavitsara Rahantanirina Gabrielle. Tsy adinony ny nampahery ireo mpanala fanadinana. Nandritra izany dia nanentana ireo mpiadina ihany koa ny ministra, mba ho tony sy hifantoka tsara izy ireo eo ampiatrehana ny fanadinana.
Efa mahasarika mpianatra maro tokoa ankehitriny ny sampam-pianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Efa manomboka miroborobo ihany koa ireo asa mifanaraka amin’io sampam-pianarana io. Ny fampiroboroboana io sehatra io dia fomba iray hanamorana ny fidiran’ireo tanora maro eo amin’ny sehatry ny asa. Efa maro raha teo ireo mpiara-miombon’antoka, miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, miara-miasa amin’ny ministera mpiahy mba hampivelarana ny sehatry ny fampianarana ara-teknika sy fampiofanana arak’asa.

Lire la suite

Articles Similaires