• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tsy Aritra Ifampizarana
Image
Vaovao

Nosy Varika : Nifamono ny iray trano, telo no maty

03/07/2023 06:27 © Midi Madagasikara

Resa-pianakaviana niafara tamin’ny heloka bevava. Olona telo no maty vokatr’ity tranga tany Nosy-Varika ity ny faran’ny herinandro teo. Niainga tamin’ny resaka fialonana ny raharaha.

Ny mpirahalahy tao an-trano dia nialona ny zaodahiny izay miara-mipetraka amin’izy ireo ihany. Satria io farany dia manjakazaka amin’ny resaka fambolena, raha araka ny fihevitr’izy ireo. Vokatr’izany dia nodoran’izy mirahalahy ratsy saina ny trano. Rehefa izany dia nivoaka tao ny renin’izy ireo ihany mba hanavotra aina. Nahita izany izy roa lahy dia nenjehiny hatrany anaty ala ary novonoiny ho faty ny reniny izay niteraka azy. Tonga teny am-pototsofin’ny zandry mpiray tampo amin’izy ireo ny zava-nitranga. Tezitra mafy io farany ary nanao savahao izay nisy ireo zokiny.

Tratrany ny iray ary novonoiny ho faty. Ny faharoa kosa efa saika ratsy koa ny nahazo azy raha tsy tonga ara-potoana ny mpitandro ny filaminana ary nahavita nanavotra azy. Efa vory maro ny fokonolona ary nanomboka nanao fitsaram-bahoaka saingy mba tonga koa ny mpitandro ny filaminana nandamina ny raharaha. Nahatezitra ny maro ny zava-nisy ary samy nahita fa tsy tokony ho tonga tamin’ny vonoan’olona raha olana ara-tany, indrindra eo amin’ny samy mpiray rà sy fianakaviana iray ihany.

Samy nohenoin’ny mpanao fanadihadiana avokoa na ny sisam-paty na ny namono tao anatin’ny ity raharaha ity, satria samy manana vesatra ara-pitsaràna azo anenjehana azy avokoa izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires