• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo tranga nisongadina ny herinandron'ny 26 jona 2023

01/07/2023 22:46 © Moov.Mg

Nanamarika ny herinandron'ny 26 hatramin'ny 30 jona ny fetim-pirenena. Naresaka na ny teny an-tsena, ny tany amin'ny toeram-piasana, ny tany an-tsekoly, ary indrindra tany amin'ny tokantrano tsirairay. Tsy adino nefa ireo tranga ara-politika, ara-tsosialy, ara-toe-karena, ara-kolontsaina sy ara-panatanjahan-tena teto amin'ny firenena.

Fankalazana ny fetim-pirenena

Ny alatsinainy 26 jona lasa teo no notontosaina ny matso lehibe nanamarihana ny fiverenan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara. Sady nanamarihana ny faha-63 taonan'ny foloalindahy moa izany lanonana izany. Vory lanona ny Tafika Malagasy, ireo olo-manan-kaja isan-tokony ary ny vahoaka Malagasy.

" Ny fampandrosoana ny firenena dia ilaina atao anatin'ny firaisan-kina, ny firaisan-tsaina, ny firaisam-po ary tsy hanaiky ny ho zarazaraina isika" hoy Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin'ny kabariny teny amin'ny Kianja Barea Mahamasina.
Anisan'ny nanamarika ny andron'ny 26 jona 2023 ny fampisehoana isan-karazany notontosain'ireo sivily : hira, dihy mirindra, fitsofana afo amin'ny vava, fampisehoana hery, sns. Tsy adinon'ny vahoaka Malagasy ihany koa ny dihy izay notarihin'ny vadin'ny filoham-pirenena Mialy Rajoelina nandritra ny Podium.


Copyright Image : © PRM

Fivoriana niaraka tamin'ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena amin'i Madagasikara

Teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha no nanatanterahana izany. Notsindrian'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa tao anatin'izay 4 taona mahery izay, ny Governemanta dia nanao ny ezaka rehetra hanamafy ny fametrahana ny Fitondram-panjakana manakaiky vahoaka. Hita taratra izany hoy izy amin'ireo fotodrafitrasa fototra maro napetraka manerana ny Nosy toy ireo efitrano fianarana maherin'ny 4000 , ireo oniversite miisa 15, ireo CSB2 miisa 104, ireo hopitaly manara-penitra miisa 28 ka ny 13 amin'izy ireo no efa ho am-perinasa tsy ho ela. Eo ihany koa ny fananganana ireo Lapan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy ireo "Bases Opérationnelles" ho fametrahana ny fandriampahalemana maharitra.
Nanamafy ny fanohanana ireo tetikasa ho fampandrosana an'i Madagasikara ireo mpiara-miombon’antoka ary hanohana hatrany ny ezaka ataon'ny Fitondram-panjakana. Noresahana nandritra izao fihaonana izao ihany koa ny fametrahana ilay "basket fund" na ny fanohanan'ireo mpiara-miombon’antoka ny fanantanterahana ny fifidianana amin'ity taona 2023 ity.


Copyright Image : © PRM

Fiatrehan'ny Ankoay ny Coupe du Monde U19 Hongrie

Sambany i Madagasikara no tafakatra amin'ny Coupe du Monde ho an'ny Taranka Basket. Raraka teo amin'ny dingana am-pahavalon-dalana (1/8ème finales) nefa ny Ankoay. Tsy atao mahakivy izany satria hita nandritra ny lalao rehetra natrehina fa nanome ny tsara indrindra izy ireo. Tsy nitsanga-menatra ny firenena Malagasy satria manana mpilalao mahay sady manana hoavy mamiratra.
Vaovao tsara androany, naharesy ny ekipan'i Hongrie ny Ankoay. 80-77 ny isa nisarahana. Mbola mitohy hatrany moa ny "match de classement" ahafantarana ny laharan'i Madagasikara amin'izany fifaninanana izany.


Copyright Image : © FMBB

Fitokanana ny "Centre de desintoxication" Itaosy

Ady iombonana ny fanafoanana ny famatsiana sy ny fidorohana zava-mahadomelina eto Madagasikara. Tsy vitsy ireo mila fanampiana, noho ny fiankinan-doha amin'ny toaka, sigara na koa roro. Izany indrindra no nanokafana ny "centre de sevrage" eny Itaosy. Mandray an-tanana ireo mila fanampiana moa ny toerana.
Ny fandraisana an-tanana ara-pahasalamana no tena atao eto amin'ity ivon-toerana ity hoy ny Filoha Andry Rajoelina fa ny ady amin'ny fihanaky ny zava-mahadomelina mahery vaika dia ady iraisana, izay ezahantsika hofongorana tanteraka amin'ny alalan'ny fanenjehina sy ny famaizana ireo mpanafatra sy mpamatsy izany eto Madagasikara, hoy hatrany izy.


Copyright Image : © PRM

Fiverenan'i Hery Rajaonarimampianina any Frantsa

Nampitolagaga ny maro ny nihazoan'ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina an'i Lafrantsa indray. Vao tsy ela akory mantsy no nanombohany ny fitetezam-paritra ny amin'ny mety hiverenany ho kandidà filoham-pirenena. Heverina nefa fa noho ny fankalazana ny fetim-pirenena Malagasy miaraka amin'ny RMDM any ivelany no tena anton-diany. Mbola nanamarika ny tenany fa "Fotoana izao hamelomantsika ny afon'ny fitiavan-tanindrazana", tamin'ny kabariny tao Frantsa.


Copyright Image : © Malagasy en France

Kaongresin'ny antoko TIM

Androany 1 jolay 2023 no nanatanterahana ny kaongresin'ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Teny amin'ny Magro no notontosaina ny lanonana. Nandritra izany indrindra no nanambaran'Andriamatoa Marc Ravalomanana fa hirotsaka amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2023 ny tenany.


Copyright Image : © Marc Ravalomanana

Fanaovam-beloma ny depiote Jao Jean

Nahavita be tamin’ny tanàna‚ Tanora sy vahoaka teto Antsohihy ary niezaka niaro‚ niahy‚ teo fona na hafaliana na alahelo itompokolahy Rémi na Jao Jean, Solombavambahoakan’i Madagasikara tao amin'ny renivohitry ny faritra Sofia nandritra ny 25taona tsy niato. Ny 22 jona teo ny tenany no nindaosin'ny fahafatesana. Androany 1 jolay vao notanterahina ny fandevenana azy. Izay tanàna nolalovan'ny razana moa dia samy nanome voninahitra sy nankahery ny fianakaviana avokoa.


Copyright Image : © Antenimierampirenena

Fankalazana ny faha-60 taonan'ny fiangonana Jesosy Mamonjy

Vory lanona teny amin'ny Coliséum Antsonjombe androany ireo mpino ao amin'ny fiangonana Jesosy Mamonjy. Misy kosa ireo andiana mpino tsy nankasitraka iny fivorian-dehibe iny noho ny disadisa izay mbola tsy miravina. Maromaro mantsy ireo fiangonana mbola tsy misokatra.


Copyright Image : © Jesosy Mamonjy Foibe Ankorondrano

Lire la suite

Articles Similaires