• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Marc Ravalomanana
Image
Vaovao

Marc Ravalomanana : Kandidà ho filoham-pirenena 2023

01/07/2023 20:30 © Moov.Mg

Fanambarana tamin'ny fomba manetriketrika ny firotsahana ho fidiana filoham-pirenena taona 2023 no nanamarihan'' Andriamatoa Filoha Marc RAVALOMANANA ny fankalazana ny faha-21 taonan'ny antoko TIM, nandritra ny kaongresy nasionaly tetsy Tanjombato.

Vory lanona ny mpomba ny antoko Tiako i Madagasikara androany teny amin'ny Magro Tanjombato. Tsy nisy ny sakantsakana ka nizotra tamim-pilaminana ny kaongresin'ny antoko, izay nomanina hatry ny ela.
Nandray fitenenana ny sekretera Jeneraly Rina Andriamasinoro ka nanao izao fanambarana izao "Andriamatoa Filoha, Fantatray ny fitavam-tanindrazana mirerareda ao aminao. Tsy mila porofona intsony ny fahaiza-manao anananao. Fantatry ny rehetra ny zava-bitanao tamin’ny sehatra maro, indrindra ny fanamboaran-dalana, ny « éducation pour tous », ny fampandrosoana maro hafa. Androany dia miantso anao izahay, miangavy anao izahay hirotsaka ho fidiana Filoham-pirenena Andriamatoa Filoha fa hanohana anao hatramin ny farany izahay rehetra. "

Namaly ny kabariny Andriamatoa Marc Ravalomanana ka nanambara ampahibemaso fa ho isan'ny kandidà ho filoham-pirenena amin'ity taona 2023 ity. "Rehefa nahita ny fijalian'ny vahoaka Malagasy aho, ary nandinika lalina ka nihaino ny feon'ny fieritreretako nametraka ny asa eo am-pelatànan'Andriamanitra dia matanjaka ny finoako...ka ekeko ny fangatahanareo ho Kandida filoham-pirenena amin'ny fifidianana ", hoy izy.

Mbola vonona hatrany ny tenany hampandroso an'i Madagasikara, ary indrindra hanarina ny firenena izay latsaka an-katerena tanteraka. Nofaranana tamin'ny nofon-kena mitam-pihavanana moa ny lanonana androany.


Copyright Image : © Marc Ravalomanana

Lire la suite

Articles Similaires