• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jirama_Ofisialy
Image
Vaovao

Jirama Ambohimanambola – Toby vaovao : Ny volana Oktobra no andrasana ny vokatra voalohany

01/07/2023 11:16 © Moov.Mg

Mampikaikaika ny vahoaka hatrany fisian'ny fahatapahan-jiro mifandimby izay misy eto amin'ny Tambazotra iraisan'Antananarivo.

Fanaraha-maso ny fizotry ny asa

Raha somary nihato kely ny fahatapahan-jiro mifandimby teo amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo nandritra ny fety fankalazana ny 26 Jona, dia efa miverina indray izany ankehitriny. Faritra maro tafiditra ao anatin'io tambazotra io, araka izany no voakasiky ny fahatapahan-jiro ary saika isan’andro izany. Nanambara moa ny teo anivon’ny orinasam-panjakana Jirama fa anisan’ny antony miteraka ny fahatapahana ny fahanteran’ireo bakoly sy ny fisian’ireo papango eny amin’ny tariby mpitondra herin’aratra.
Manoloana ny fahasorenan’ny mpanjifa, sy ny fitohizan’ny olana misy eo amin’ny jirama dia nangataka ny hidina ifotony hijery ny fizotry ny asa fanorenana ilay toby famokarana herinaratra vaovao ao Ambohimanambola ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Tonga teny an-toerana araka izany ny solo-tena avy amin’ny SCAEPC, ny AVDDCC, ny FOMZMPM, ny VOMZOM, ary ny FIMMPAMA.
Nanararaotra nanotany mahakasika ny antony mahatonga ny fahatapahan-jiro mifandimby moa ireto farany, nandritra izany fihaonana izany, fa ihany koa niresaka momba ireo vahaolana tokony hirosoana manoloana izany.

Vokatra 30 MW no andrasana amin’ny volana oktobra

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny asa fanorenana ny toby famokarana herinaratra 105 MW, ankehitriny ireo teknisianina avy amin’ny Jirama. Ny herinandro lasa teo tokoa manko no tonga teto Antananarivo ireo fitaovana ilaina amin’izany, izay niainga avy tany Toamasina.
Efa ao an-toerana avokoa, araka izany ireo fitaovana, ary efa mandroso ny asa. Ny volana novambra ho avy izao no heverina handrotsaraka 30 MW voalohany ho an’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo ity vondrom-pihariana herinaratra vaovao ity.
Etsy an-dàniny dia miandry fatratra ny hisian’ny vahaolana azo tsapain-tànana manoloana izao fahatapahana lavareny izao ny mpanjifa. Maro tokoa mantsy ireo very fidiram-bola sy simba fitaovana noho izany tsy fahatomombanana eo anivon’ny jirama izany.

Lire la suite

Articles Similaires