• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Groupement De La Gendarmerie Anosy
Image
Vaovao

Raharaha QMM Fort-Dauphin : Olona roa karohin'ny zandary

01/07/2023 07:54 © Moov.Mg

CHRETIEN Ratovondrainy Eugène sy MANJARY Laurent no namoahan'ny Fiadidiana ny Zandarimaria ato amin'ny Faritra Anosy "avis de recherche", nanomboka omaly 30 jona 2023.

Raha tsiahivina dia nisy ny fidirana antsokosoko ary ny sakan-dalana tsy ara-dalàna ny toeram-pitrandrahan’i QMM. Izany dia taorian’ny fametrahana sakan-dalana roa amin’ny lalana manamorona ny QMM, nanomboka ny alatsinainy 26 jona lasa teo. Hatreto aloha, nanapa-kevitra i QMM ny hampiato vonjy maika ireo asa famokarana, mandra-piverenan’ny fitoniana hahafahana miaro ireo mpiasa sy ireo mpiara-miombon’antoka.
Iangaviana izay mahalala na mahita ireo olona hita amin'ny sary ireo mba hampandre avy hatrany ny manampahefana akaiky azy indrindra na ny eo anivon'ny Groupe d'appui à la Police Judiciaire ANOSY, na hiantso mivantana ny laharana 034.14.014.35. Tsara ny manamarika fa ampangaina ho nanao fandikan-dalana << ATTROUPEMENTS ILLICITES ET ATTEINTE A LA SÛRETÉ INTÉRIEURE DE L'ÉTAT >> izy roalahy ireo.
Manao antso avo amin’ny andraikitry ny tsirairay moa ny QMM amin’ny fitandroana ny fiaraha-monina milamina, ary manamafy ny fahavononany hitazona ny fifampiresahana tsy misy fandrahonana ny mpiasa, ireo fotodrafitrasa fa indrindra ireo mpiara-monina rehetra ao Fort-Dauphin.

Lire la suite

Articles Similaires