• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Ady amin'ny zava-mahadomelina : Misokatra ny "Centre de sevrage" ao Itaosy

29/06/2023 12:02 © Moov.Mg

Nidina ifotony nitsidika ny kaominina Itaosy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina androany maraina. Nandritra izany no nanokanany ny Ivo-toerana fandraisana an-tànana ireo olona miankin-doha amin’ny zava-mahadomelina.

Fanavotana ireo tafalatsaka amin'ny zava-mahadomelina

Tafapetraka ao amin’ny distrika Atsimondrano, Kaominina Itaosy ny ivo-toerana manokana handraisana an-tànana ireo olona miankin-doha amin’ny zava-mahadomelina, na ny Office National de Lutte Antitabac. Tafiditra tanteraka ao anatin’ny ady atao amin’ny zava-mahadomelina sy ny fiparitahany ny fanatanterahana izao tetikasa izao hoy ny filoha Andry Rajoelina.
« Maro ireo tanora roboka ao anatin’ny zava-mahadomelina, fa indrindra ny roro ankehitriny. Ny fiankinan-doha amin’izany anefa dia mitarika ireo tanora hanaonao foana, toa ny fivarotan-tena ho an’ny vehivavy, sy ny fangalarana ho an’ny lehilahy. Manodidina ny 50 000 ariary isan’andro tokoa ny vola ilain’ireo efa roboka amin’izany raha te hahazo ny fatra ilain’ny vatany izy. » hoy hatrany ny filoha. Manoloana izany indrindra dia nilaza ihany koa ny filoha fa tokony « Office National Anti-drogue no hiantsoana ity toerana ity fa tsy Office National Anti-tabac » satria tena manjaka ny fidorohana ny roro ankehitriny.
Ny fametrahana ity ivo-toerana ity dia fomba iray hanamafisana izany ady amin’ny fidorohana sy amin’ny fandraisana ireo karazana zava-mahadomelina. Marihina moa fa noraisin’ny ramatoa Mialy Rajoelina ny fiahiana ity ivo-toerana ity.

Tetikasa fampandrosoana ny faritra Itaosy

Ankoatra ny fanokanana ity ivo-toerana ity dia niroso tamin’ny fametrahana ny vato-fototry ny Hopitaly manarapenitra izay hajoro ao amin’ny kaominina Itaosy ihany koa ny filoha. « Ny fanatanterahana ny fanamboarana foto-drafitrasa toa izao dia fomba iray hanamafisana ny fampandrosoana ny faritra Itaosy », hoy ny filoha.
Manoloana ny olana sendrain’ny mponin’i Itaosy mahakasika ny fitohanan’ny fiara vokatry ny haratsy ny làlana, ny rano sy ny jiro ihany koa dia nanome toky ny filoham-pirenena fa hitondra vahaolana amin’izany ato anatin’ny fotoana fohy. « Hiverina aty aho afaka iray volana. Amin’izany no hametrahantsika ny vato-fototra hanamboarana ny CEG sy ny Lycée Manarapenitra eto Itaosy. » hoy ny filoha. Nanome toky ihany koa izy fa hitady vahaolana momba ny olana mahakasika ny jiro sy ny rano. Nanararaotra ny fotoana androany izy hitondrana fanazavana momba ny zava-misy any an-toerana. « Noho ny habetsaky ny mponina eto Itaosy dia tsy mahazaka ny filàna intsony ny « transformateur ». Tsy mahazaka intsony ny ligne ».
Foto-drafitrasa maro no hapetraka ao Itaosy manomboka izao mba hanamafisana ny fampandrosoana ity kaominina ity. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ohatra ny fanamboarana ny kianja manarapenitra ao amin'ny Taninkatsaka Itaosy sy ireo asa maro isan-karazany.

_Ireo sary nanamarika nandritra ny lanonana fanokanana _


Copyright Image : © PRM

Lire la suite

Articles Similaires